Vaovao
Baolina kitra : Noraisin'ny Faritra Matsiatra Ambony ireo mpilalao BAREA CHAN
Nomem-boninahitra manokana ary noraisina tamin'ny fomba ofisialy teto andrenivohitry ny Faritra ireo Mpilalaon'ny Barea zanak'i Mahatsiatra Ambony, niaro ny voninahim-pirenena tamin'ny lalao CHAN2022, dia ny Coach Rôrô, i Rojo,i Joma, ary teo ihany koa i Rolland izay mpiara-miasa akaiky amin'i Coach Rôrô.
Mana-talenta ny tanora eto amin'ity Faritra misy antsika ity, mendrika ny hamporisihina sy homena tosika hatrany, ilaina ihany koa ny finiavan'ny tsirairay hanatrarana ny mendrika toy izao zava-bitan'ny Barea CHAN izao ho reharehan'ny Firenena.