Vaovao
Rivodoza Freddy : Manome tanana ireo tra-pahavoazana ao Mahanoro ny Tafika Malagasy
Manampy ny vahoakan’i Mahanoro amin’ny fanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza ny miaramila avy amin’ny ZDS Pangalana ankehitriny.
Izany moa no atao dia araka ny baiko napetraky ny Minisitrin’ny Fiarovam-pirenena ,ny Jeneraly RAKOTOARIJAONA Josoa
Ankoatran’ny fanomezan-tanana amin’ny fanarenana ireo trano simba dia manala ny hazo nianjera sy manapaka ireo mbola ahiana hitera-doza ihany koa izy ireo.
Etsy ankilany dia manao fisafoana mba hanamafisana ny fandriampahalemana ary manao fizaham-pahasalamana maimaim-poana ireo miaramila mpitsabo mpanampy misehatra any an-toerana.