Vaovao
Ministeran'ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana : Nosoloina ireo governora miisa 4
Ankoatra ny fanavaozana ireo mpikambana ao amin'ny governemanta dia nisy fanamboarana ihany koa ny lisitr'ireo governora isam-paritra.
Tamin'ny filan-kevitry ny minisitra omaly dia noraisina ny didim-panjakana manafoana ireo fanendrena sasantsasany ary manendry ireto Governora manaraka ireto :
Atoa RAKOTOMANGA Taciano, governoran'ny Faritra Diana ;
Rtoa FOMENDRAZA Haingo Elisette, governoran'ny Faritra Amoron'i Mania ;
Dr RAMANANJARASOA Clarisse Eugénie, governoran'ny Faritra Ihorombe ;
Dr RAMAROSANDRATANA Guy, Governoran'ny Faritra Alaotra Mangoro.