• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Alsace
Image
Vaovao

Rivodoza 2023 Freddy : Miato ny fitaterana amin’ny faritra maro

21/02/2023 09:38 © Moov.Mg

Mihamanakaiky ny morotsirak’i Madagasikara hatrany ilay rivodoza mahery vaika Freddy. Anio 21 febroary tamin’ny 6 ora maraina dia fantatra fa tany amin’ny 395 km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’i Mananjary no nisy ny foibeny, raha ny fampahafantarana nataon’ny teo anivon’ny foiben’ny famantarana ny toetry ny andro.

Manoloana izany fahatongavan’ny rivodoza izany, dia namoaka fampahafantarana mahakasika ny fepetra tokony ho arahina amin’ny fitaterana olona sy entana an-tanety ny ministeran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro.

Noho izany ary dia :

Mijanona ny fifamoivoizana amin’ny alina ho an’ny faritra rehetra voalaza handalovan’ny rivodoza 2023 Freddy

Mijaona eo Antsirabe avokoa, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ny fitaterana mianatsimo rehetra

Manomboka ny Talata maraina (anio), dia tsy misy mahazo miainga ny avy any amin’ny faritra Atsimo ka hihazo an’Antananarivo

Manomboka ny Talata amin’ny 12 ora atoandro dia tsy misy fiaingana intsony ny avy any amin’ny faritany mampiasa ny làlam-pirenenana faharoa (RN2) hihazo an’Antanannarivo

Mitsahatra avokoa ny fitaterana rehetra mandritra ny alin’ny Talata mifoha Alarobia, izay fotoana voavinavina hidirana sy handalovan’ny rivodoza ety an-tanety.

Noraisina izany fanapahan-kevitra rehetra izany mba hiarovana, araka ny tokony ho izy, ny ain’ireo mpandeha sy ireo mpitatitra. Natao koa izao mba hisorohana sy hialana amin’ny mety ho loza hiseho eny an-dàlana. Rehefa fotoan’ny rivodoza toa izao manko dia mety ho maro ireo trangana fiotsahana tany sy fianjeran’ny hazo eny an-dàlana rehetra eny.
Manoloana izany dia entanina hatrany ny rehetra hanaraka tsy tapaka ny vaovao mahakasika ny fiverenan’ny fifamoivoizana. Tsiahivina fa miankina amin’ny fivoaran’ny rivodoza Freddy ny fanapahan-kevitra rehetra mahakasika izany.

Lire la suite

Articles Similaires