Vaovao
Cyclone Freddy 2023 : Efa misy fiantraikany amin'ny toetr'andro eto Madagasikara sahady
Any amin'ny 2251 km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan'ny Toamasina no misy ny rivodoza maherivaika na ny tempête tropicale intense Freddy amin'izao amin'ny 8 ora alina izao.
Efa nisedra orana miaraka amin'ny tafio-drivotra hatry ny omaly raha ny teto Antananarivo. Fampiomanana ny hidiran'ny cylone na andro ratsy Freddy eto amin'ny Nosy avokoa izany.
Tombanana hikasika ny morontsika Atsinana afovoan'ny Nosy izy ny amin'ny Talata na ny Alarobia vao maraina be izy, raha ny vaovao navoakan'ny foiben'ny famantarana ny toetry ny andro.