Basketball 3x3 : Notolorana mari-boninahitra ny ANKOAY sokajy zazalahy sy zazavavy
Ho mariky ny fankasitrahana ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay taranja Basketball 3x3 sokajy lahy sy vavy izay nitondra avo ny voninahi-pirenena dia notoloran'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mari-boninahi-pirenena izy ireo androany 17 febroary 2023 tao amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra.
Ny Ankoay sokajy lehilahy moa dia vao avy nandrombaka ny Tompon-dakan'i Afrika teo amin'ny FIBA 3x3 Africa cup 2022 natao tany egypta ny 3 sy 4 Desambra 2022, ary koa tafiakatra hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany Basketball 3x3 hatao ny volana May 2023 hoa avy izao. Ny ekipam-pirenena vehivavy kosa dia voahosotra ho tompon-daka lefitra eto Afrika, ary tafiditra hiatrika ny dingana hatao any Israely hiatrehana Fiadiana ny amboara eran-tany Basketball 3x3.
Nidera manokana ireto ekipam-pirenena ireto ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ny herim-po sy ny fikirizana nasehon'izy ireo ka nahatonga azy ireo ho tompon-dakan'i Afrika izao. Niarahaba manokana ny Federasiona malagasy ny basket-ball ihany koa ny tenany noho ny fahaiza-mitarika nasehon'izy ireo ka nahafahan'ny taranja basket-ball hamiratra aty Afrika.
Nohamafisin'ny Filoha Andry Rajoelina hatrany ny fanohanany ny fanatanjahan-tena sy ny atleta malagasy izay manandratra avo ny ambompom-pirenena. Ankoatra ireo mari-boninahi-pirenena natolotra androany dia nomen'ny Filoham-pirenena "prime speciale" ihany koa ireo mpilalao sy ireo mpanazatra ireto ekipam-pirenena ireto.