Fanomanana ny JIOI 2023 : Miatrika fiofanana any Chine ireo mpilalao Malagasy
Haharitra efa-bolana ny fampivondronana sy fampiofanana izay fiaraha-miasa amin'ny Governemanta Sinoa.
Araka ny fampanantenana nataon'ny fitondram-panjakana mahakasika ny fampivondronana iraisam-pirenena ireo mpanao fanatanjahantena Malagasy, dia hanainga ho any Chine amin'ity herinandro ity ny taranja 4 : ny Athlétisme, ny Badminton, ny Haltérophilie ary ny Tennis de Table izay hahitana mpanao fanatanjahantena miisa 45, mpanazatra 4 ary tompon'andraikitra ara-taratasy 2.
Niainga ny faha-16 febroary 2023 ireo andiany voalohany ka atleta miisa 15 avy amin’ny taranja Atletisma, 14 avy amin’ny taranja Haltérophilie miampy mpanazatra iray avy ary tompon'andraikitra ara-taratasy 1.
Ho fanohanana ireto atleta ireto dia nisy ny fampitaovana azy 51 mianadahy izay nahitana fanamiana isankarazany, " tennis, " sac de voyage, sacs à dos".
Ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia mitsodrano azy ireo ary mirary fanomanana mahomby.