• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Bypass. Namoy ny ainy ny iray tamin'ireo voatsindrin’ny kamiao

14/02/2023 10:07 © Midi Madagasikara

Natao ny ala nenina rehetra mba ho famonjena ny ainy. Nandalo fandidiana ilay tovolahy. Tsy tàna anefa ny ainy ary nodimandry omaly izy noho ny fahavoazana mafy izay nanjo azy.

Vao 16 taona ity lehilahy izay namoy ny ainy ity raha isan’ireo voafoakan’ny fiara vaventy nitatitra ranon-tany tetsy amin’ny Bypass mifanandrify amin’ny fanombohan’ny làlana izay mizotra mankany Alasora. Betsaka tamin’ireo izay nandalo teny an-toerana ka nahita ny zava-nitranga no nahatsiaro ny endrik’ilay tovolahy. Mbola velona mantsy izy ary mbola afaka niteny saingy tsy afa-nihetsika rehefa voatsindrin’ny fiara. Izany rehetra izany dia mandram-pahatongan’ny mpamonjy voina izay nanala azy tao. Ontsa izay nahatsiaro azy satria mbola tena tanora ary koa nanaraka izay notenenina taminy mba hamonjena ny ainy. Omaly antoandro dia mbola an-dàlana hamonjy azy ny fianakaviany. Ho an’ireo olona roa hafa izay naratra mafy dia tsy misy ahiana ny ain’izy ireo rehefa nentina teny amin’ny hopitaly. Ilay mpamily kosa indray dia notazomina ao amin’ny komisarian’Alasora ary mbola nitohy omaly ny fanadihadiana azy. Nanomboka omaly izany dia tsy lozam-pifamoivoizana naharatràna olona intsony no vesatra anenjehana azy fa kosa lozam-pifamoivoizana nahafaty olona. Etsy andanin’izany dia miandrandra ny maro ny amin’ny hanenjehana koa ny tompon’ny fiara sy izay mety ho tao ambadiky ny fitaterana ranon-tany, toe-javatra izay noraràna efa ela. Fanadihadiana roa karazany izany no tena handrasana amin’ity raharaha ity. Ny voalohany dia mahakasika ilay lozam-pifamoivoizana fa ny faharoa kosa dia ny momba ireo tsy nanara-dalàna izay mbola nitatitra ranon-tany ihany. Izany hoe, mbola manao fanorenana izay miainga amin’ny fanotorana lemaka. Mivandravandra loatra koa izany ankehitriny, indrindra eny amin’iny faritry ny Bypass iny ka antenain’ny mpanara-baovao mba hisy ny fandraisana andraikitra sy ny fanasaziana fa tsy sanatria ho vitavita hoazy indray.

Lire la suite

Articles Similaires