• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

RN4 : Mpanakan-dalana telo lahy maty voatifitry ny zandary

14/02/2023 08:47 © Midi Madagasikara

Tafalatsaka tao anatin’ny vela-pandriky ny zandary ireto mpanakan-dalana ireto ny alin’ny alahady teo. Tsy nanaiky mora ny fisamborana azy izy ireo fa efa nivonon-ko faty, handeha hanafika sy hiantsy ady amin’ireo zandary efa tsara hofana. Vokany, namoy ny ainy voatifitra ny telolahy.

Tranga niseho ny harivan’ny alahady teo, teo amin’ny PK 267, anelanelan’i Marotaolana sy Antsiafabositra, samy ao amin’ny distrikan’i Maevatanana avokoa. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia nitrangana fanakanan-dalana, tsy lavitra teo amin’io toerana io, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo, teo amin’ny tetezana antsoina hoe Anjijiakely. Taxi-brousse iray, avy any Mahajanga, handeha hiakatra aty an-drenivohitra no lasibatr’ireo mpanakan-dalana. Raha ny tatitra azo dia tsy nisy aina nafoy na ny zavatra very, saingy nahitàna fahapotehana betsaka kosa ilay fiara, vokatry ny tora-bato sy ny tifitra pilotra.

Rehefa nandray ny fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Maevatanana dia nilaza ny mpamilin’izany fiara izany, fa tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana dia efa narahana môtô iray izy, notaingenana olon-droa izy, nanomboka teo Maevatanana ka hatreo Antanimbary. Tsy nety nisongona azy ireo mihitsy ity kodiaran-droa ity na dia efa nomena lalana aza. Fihetsika izay hitan’ilay mpamily fa hafahafa ihany, tamin’izay misasak’alina izay.

Voamarik’ilay mpamily tsara moa ny marik’ilay môtô ary taty aorian’ny famotorana, rehefa tsikaritr’ireo zandary misahana ny fifamoivoizana ihany koa ny fisian’io, dia fantatra ihany koa ny nitondra azy. Ny alahady teo, nosamborina ilay rangahy nitondra ilay môtô, izay tsy iza fa « mecanicien » eo Maevatanana ihany. Ny fisavàna ny finday no nahitàna hafatra hafahafa, izay nalefa tany amin’ny olona iray, mahakasika io fanafihana io. Nosamborina avy hatrany ihany koa ity farany. Izy izay namboraka tamin’ireo zandary fa ati-doha nikotrika ilay fanakanan-dalana noho ny alahelony sy mba ho valifatiny amin’ny patiraony. Nampanantenaina ny ho mpamily fiara taxi-brousse vaovao mantsy ity farany kanefa nony tonga ny fiara dia olon-kafa no noraisin’ilay patiraony. Nitondra « commission » maromaro avy amin’io « patiraony » io ity taxi-brousse voatafika ity tamin’io fotoana io.

Marihana fa nisy namany hafa niara-nitsikombakomba taminy tamin’io fotoana io. Izay namelaran’ny zandary vela-pandrika, ny alahady alina teo. Tafajoboka tao anatin’izany izy ireo, saingy io mbola mafy loha io ka tsy maintsy nandray fepetra haingana ireo zandary. Maty voatifitra noho izany izy, telo lahy, araka ny fampitam-baovao azo. Mbola hita teny amin’izy ireo moa ny fitaovam-piadiana fentin’izy ireo, toy ny basy, famaky, ary pilotra, niaraka tamina ody gasy marobe. Raha ny fantatra dia heverina fa efa olon-dratsy hikoizana ny iray tamin’ireo jiolahy ireto, satria ny fisavàna ny tanany dia nahitàn’ireo zandary omby miisa enina, tsy nisy taratasy mazava. Mbola mandeha moa ny fanadihadiana rehetra any an-toerana mahakasika ity raharaha ity. Ny vatana mangatsiakan’izy ireo kosa dia efa nomena ny fianakaviany, taorian’ny fitsirahana nataon’ireo mpitsabo.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires