• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Vono olona tao amin’ny Campus Maninday Toliara : Manameloka izany ny ministeran’ny Fampianarana Ambony.

13/02/2023 17:26 © Moov.Mg

Manoloana ny vono olona izay niseho tao amin’ny Campus Maniday tao Toliara omaly dia nanao fanambarana ny ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Tao anatin’izany fanambarana izany dia nambaran’ny ministera fa manameloka tanteraka izao vono olona izao, izay niseho tamin’ny fomba feno habibiana.

Raha ny nambaran’ireo mpianatra dia efa hitrangana fahaverezana entana matetika ao amin’ity toeram-ponenan’ny mpianatra ity. Ity lehilahy ity ary no nifaharan’ny rihitra, ary noahiahian’ny mpianatra ho tompon’antoka tamin’izany fangalarana entana izany. Izany indrindra no nahatonga ireto mpianatra nitraotra ka nanapa-kevitra ny hisambotra ity farany, omaly. Rehefa tratra ary ity lehilahy izay nahiana ho mpangalatra ity dia nodoran’ireo mpianatra.
Manoloana ny toe-java-misy ary dia miantso ny tompon’andraikitra mahefa rehetra mba handray ny andraikitra tandrify azy ny ministera. Manainga ireo ratsa-mangaika rehetra hiara-hientana ho amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra eo anivon’ny toeram-ponenana sy toeram-pianaran’ny mpianatra eny anivon’ny Fampianarana Ambony ihany koa ny ministera. Ary farany dia noamafisin’ny ministera fa tsy azo ekena ny fandatsahana ain’olona na inona na inona antony.

Lire la suite

Articles Similaires