• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

ZLECAF : Noresahana ireo fitsipika mahakasika ny varotra iraisam-pirenena

13/02/2023 17:01 © Moov.Mg

Tanteraka nanomboka ny 07 febroary lasa teo ny fihaonana fandravonana ireo fivoriana isan-tsokajin’ny komitin’ny Faritra Malalaka Ara-barotry ny Kaontinanta Afrikana (ZLECAF) teo aloha, izay natao tao Gaborone, renivohitr’i Botswana.

Tamin’izany fivoriana izany no nandraisana fanapahan-kevitra farany momba ny lamba sy ny fitsipika mikasika ny niaviany, izay adika amin’ny teny baiko hoe « règles d’origine ». Noraisina tamin’izany ihany koa ny fanapahan-kevitra mahakasika ny famokarana sy fanondranana fiara eo anivon’ny firenena afrikana. Marihina fa ny fitsipika rehetra mikasika ny fiavian’ny entana dia fepetra ifanarahan’ny mpikambana ao anatin’ny ZLECAF. Amin’ny alàlan’izany no ahafahan’ilay entana avy any amin’ny firenena mpanondrana hiditra afak’haba any amin’ny tsenan’ilay firenena mpanahafatra.
Ankoatra izany dia notaterina tamin’ny mpandray anjara ihany koa ny vokatr’ireo fivorian’ny komity mikasika ny varotra nomerika, ny komitin’ny vehivavy sy ny tanora, ary ny komitin’ny famahana ny olana anatin’ny ZLECAF sy ny fomba hanohizana ireo lohahevitra ireo.
Voaresaka tamin’izany fihaonana izany avokoa araka izany ireo fifanakalozana ara-barotra izay mampifandray ireo firenena mpikambana ao anatin’ity vondrona ity, ary tafiditra ao anatin’izany indrindra i Madagasikara. Noho izany no nahatonga ny firenenana malagasy nandefa solotena tamin’izany fivorian’ny mpiasam-panjakana miandraikitra ny ZLECAF. Ho an’ny Madagasikara manokana dia tsapa fa mifanaraka amin’ny fepetra manan-kery eto amintsika ireo fanapahan-kevitra noraisina tamin’izany fihaonana izany.

Lire la suite

Articles Similaires