• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama_Ofisialy
Image
Vaovao

Jiramobile : Miverina manakaiky ny mpanjifa indray ny Jirama

13/02/2023 16:09 © Moov.Mg

Hiverina hanakaiky ireo mpanjifa indray ny Jirama amin’ny alàlan’ny Jiramobile rehefa niato nandritry ny fotoana lavalava izany. Nisy moa ny asa fanatsarana sy fanamboarana izany fiarabe izany, araka ny nambaran’ny Jirama.

Efa tontosa ankehitriny ny asa fanatsarana ny Jiramobile ka nanomboka hanatona ireo mpampiasa ny tolotra Jirama indray ity fiarabe ity manomboka androany. Manome fotoana ireo mpanjifa eny Soavina Ambodivary (tany malalaka Ambodivary) ary ny Jirama anio sy rahampitso 14 febroary. Aorian’izay, izany hoe ny alarobia 15 febroary dia hihazo an’Ambihivy ity fiarabe. Ny 16 febroary kosa dia ho tonga eny amin’ny Pilone Antoby – Vahilava ny fiarabe. Ary hamaranana ity herinandro ity, dia hanakaiky ireo vahoaka eny amin’ny manodidina ny Atodiambary ity fiarabe ity.
Santatra ambavarano ihany izao ho tanterahina amin’ity herinandro ity izao fa mbola hitohy hatrany ny hetsika hanakaikezana ny mpanjifa amin’ny alalan’ny fiarabe Jiramobile, hoy hatrany ny avy eo amin’ny Jirama.

Lire la suite

Articles Similaires