• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Finoana katolika : Napetraka ny Eveka vaovaon'ny diosezin’i Mahajanga

13/02/2023 12:04 © Moov.Mg

Voaasa manokana ary tonga nanatrika ny lamesa fametrahana ny Eveka vaovaon’ny diosezin’i Mahajanga Mgr Zygmunt Robaszkiewicz tao amin’ny Katedraly Fo Madion’i Marie ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alahady 12 febroary 2023.

Nankahery sy nirary soa ny Eveka vaovao ny tenany nandritra ny fandraisam-pitenenany mba hahatontosa antsakany sy andavany ny andraikiny amin’ny maha Eveka azy. Marihina fa Eveka faha-6 voatendry tao amin’ny diosezin’i Mahajanga ny Mgr ROBASZKIEWICZ.
Nankasitraka sy nirary soa ary nankahery ny Eglizy Katolika manerana an’i Madagasikara ihany koa ny Filoham-pirenena. Anisan'ireo fiangonana mandray anjara mavitrika amin'ny asa fanasoavana eo amin’ny sehatra maro, mantsy ny katolika, raha ny eto Madagasikara no resahina.
Nifandimby nandray fitenenana ireo tompon'andraikitry ny fiangonana sy ny Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ noho ny fahatongavan'ny delegasiona notarihin'ny filoham-pirenena nanatrika ny fotoam-pivavahana.

Lire la suite

Articles Similaires