• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy.Jpg
Image
Vaovao

Akany Ambatolampy : Hanao fety sambatra ireo zaza kambotin’ny polisim-pirenena

19/12/2022 05:08 © Midi Madagasikara

Fetin'ny noely 2022 : Nahazo fanomezana ireo ankizy 71 tezaina ao amin’ny akany fitaizana zaza kamboty sahanin’ny polisim-pirenena ao Ambatolampy.

Mahatsiaro ho manana ray aman-dreny ka velom-panantenana tanteraka ny amin’ny hoaviny ireo ankizy 71 tezaina ao amin’ny akany fitaizana zaza kamboty sahanin’ny polisim-pirenena ao Ambatolampy. Nisongadina izany ny sabotsy lasa teo nandritra ny fidinan’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Randrianarison Fanomezantsoa sy Ramatoa vadiny ary ireo tompon’andraikitra maro eo anivon’ny polisim-pirenena tany an-toerana mba hiara-mifaly amin’ireto ankizy ireto amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao. Heniky ny hafaliana tokoa ireo ankizy noho ireo fanomezana maro natolotra azy ireo mba hoentina miatrika ny noely sy ny taom-baovao, toy ny kilalao maro samy hafa, vatomamy, akanjo, kojakoja maro isan-karazany ilaina amin’ny fiainana andavan’andro. Izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-mientana teo amin’ireo fikambanana maro eo anivon’ny polisim-pirenena sy ireo mpiara-miombona antoka aminy. Teo ihany koa ireo olona tsara-sitrapo izay mahatsapa ny ezaka tokony hatao mba hanampiana ireto zaza ireto, izay zanak’ireo polisy maty am-perinasa avokoa. Faly tokoa ireo ankizy izay tsy nisalasala ny naneho fanakasitrahana izao fihetsika naseho azy ireo izao nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny solontenan’izy ireo.

Ho setrin’izany dia nandrisika ireo ankizy hilofo mafy amin’ny fianarana sy hitombo fahendrena hatrany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka izay nanamafy fa ny polisim-pirenena no solon-dray aman-dreny hikoloko azy ireo. Nanamafy moa ny Minisitra fa tsy hanadino velively ireto ankizy ireto ka hikatsaka hatrany ny hampiroboroboana ity ankany ity. Ohatra amin’izany ny famitana haingana ny trano lehibe iray izay hanampy ireo efa ao an-toerana mba hanatsarana hatrany ny fiainan’ireo ankizy tezaina ao. Marihina fa nisy ireo hetsika famalifaliana nandraisan’ireo ankizy anjara ka nanafana ity fotoana ity. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ho mariky ny firaisan-kina moa ny fotoana tamin’io sabotsy io.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires