• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov-Vaovao.Jpg
Image
Vaovao

« Certicat Covid19 » hosoka : Vehivavy roa mpiasan’ny LA2M nosamborina

14/12/2022 16:30 © Midi Madagasikara

Dimy alina sy roa hetsy ariary ny hivarotan’ireto vehivavy anankiroa, mpiasan’ny LA2M ny « certificat Covid19 » hosoka iray. Voasambotry ny pôlisy tetsy amin’ny toeram-piasàny, tetsy Androhibe izy ireo, ny alatsinainy lasa teo.

Ny taratasy mampilaza ny tsy fitondrana ny tsimok’aretina na ny « certificat de négativité test PCR Covid19 » ity hanavaon’izy ireo hosoka ity. Ary ireo terantany vahiny tonga eto amintsika no tena tonga manatona azy ireo, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisim-pirenena. Niainga tamin’ny fiahiahiana azy ireo ny fanadihadiana rehetra nahafahana nanatsikafona ity bizina hafakely nataon’ireto vehivavy ireto. « Mpiasan’ny Institut d’hygiène Analakely tamin’ny andron’ny hamehana ara-pahasalamana ireto farany izay nifindra niasa teny amin’ny LA2M Androhibe ny volana may taona 2021. Nanomboka tamin’izany no nanaovany izao asa ratsiny izao.

Efa ahiahiana fa misy olona mifamezivezy miditra ao amin’ny biraon’ireto roa vavy ireto, ary mampiahiahy ny lehibe ao amin’ny toeram-piasany » hoy hatrany ny filazan’ny avy eo anivon’ny pôlisy. Rehefa natao ny fanaraha-maso dia hita fa misy taratasy hosoka mivoaka ao amin’izy ireo. Nanomboka nanokatra fanadihadiana avy hatrany ireo tompon’andraikitra ary niafara hatrany amin’ny fitoriana hatreny anivon’ny pôlisy ekônômika tetsy Ambohidahy izany. Rehefa napetraka ny velam-pandrika dia tra-tehaka, tsy afa-niala intsony tao amin’ny birao fiasan’izy ireo teny Androhibe ireo roa vavy ireto. Vehivavy 42 sy 43 taona. « Marihana fa manana fitomboka hosoka izy ireo anaovany izany taratasy izany ary izy ireo ihany koa no manao ny sonia amin’ireo taratasy » raha ny vaovao azo hatrany. Nentina avy hatrany, natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy teny amin’ny biraon’ny pôlisy moa ireto mpanao hosoka ireto. Ary heverina fa halotra eny anivon’ny Fampanoavana aorian’ny famotorana azy ireo.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires