• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov-Vaovao.Jpg
Image
Vaovao

« Tetikasan’ny Filoha » : Mpanao hosoka voasambotry ny pôlisy ekônomika

16/12/2022 03:16 © Midi Madagasikara

Olona nanana tany voakasiky ny « projet presidentiel » indray no lasibatr’ity rangahy mpisoloky sy mpanao hosoka ity.

Vitan’ity farany mihitsy ny namorona taratasy sandoka, misy fitomboka mena, avy amin’ireo sampan-draharaha tompon’andraikitra amin’izany, nentiny nandresena lahatra ireto lasibatra ireto. Ny talata lasa teo no voasambotry ny pôlisy ekônômika, ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny hosoka sy fanaovana hosoka ity mpisoloky ity, lehilahy efa ho 60 taona tany ho any, rehefa nofandrihana. Ny zava-nisy tokoa mantsy, ny taona 2019 no nifankahalala ity lehilahy voalaza etsy ambony ity sy ireo olona roa niharam-boina. Nilaza moa ny tenany tamin’izany fotoana izany fa mahavita sy mikarakara taratasy momba ny tany ary tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana « mutation ». Natoky moa ireo nihaona taminy ka dia nomena azy daholo ny antontan-taratasy rehetra. Taty aoriana, ny 2 novambra 2022 dia niantso ireo tompon’ny tany izy ary nitondra sy nampiseho taratasy manambara fa araka ny navoakan’ny filankevitry ny minisitra, izay tany voakasiky ny tetikasan’ny Filoham-pirenena dia mandoa vola « droit main levée » 450 000ar ahafahana manohy sy mikarakara ny antotan-taratasy. Voalaza mantsy fa efa foana ilay tetikasa, ary aloa any aminy mivantana ilay maribola voalaza, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Somary niahotra ihany ireto tompon-tany rehefa nahare izany ary tsy natoky loatra ilay rangahy, eny fa na dia teo aza ny taratasy toa ara-dalàna nasehony azy ireo. Tamin’io fotoana io ihany dia nandeha nanatona ny sampandraharaham-paritra miandraikitra ny fanajariana ny tany, teto Analamanga izy ireo, mba hanamarina izay voalazan’ilay rangahy.

Rehefa nozahana sy nohamarinin’ny tomponandraikitra dia hita fa taratasy sy sonia ary fitomboka sandoka avokoa. “Ireo mikarakara antotan-taratasy ao an-toerana tsy misy resaka fandoavam-bola izany na ariary aza », hoy hatrany vaovao. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny pôlisy ity sampan-draharaham-panjakana voatonontonona ity. Niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana ity mpanao hosoka ity ireto farany ary io niafara tamin’ny fisamborana azy io, rehefa natao ny vela-pandrika isan-karazany, hanjonoana azy. Tamin’ny fotoana nahatratrarana ity farany moa, araka ny fanazavana azo hatrany, dia mbola nahitana fitombokase maromaro sy solosaina iray tao aminy. Omaly moa ity lehilahy 60 taona ity no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, taorian’ny fitazomana sy ny famotorana azy teny anivon’ny biraon’ny pôlisy.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires