• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Rongony 6,2 taonina, menaka rongony 21 litatra, jiolahy efatra tratra

21/12/2020 03:40 © Moov

Tsy hitsitsy ! Lehilahy iray lehiben’ny mpamongady rongony any amin’iny faritra Diana iny no tafalatsaka tao anaty haraton’ireo zandary, ny faran’ny herinandro teo. Tratra niaraka tamin’ny ny rongony milanja an-taoniny maro sy ny menaka rongony am-polony litatra.

Misy hetsika maromaro indray ataon’ireo mpitandro filaminana hiadiana amin’ny fiparitahan’ny rongony amin’izao, izay sokajiana ho antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Tany Ambanja, rehefa nisy ny angom-baovao azon’izy ireo, mahakasika ny fisiana trano roa, izay toa misy entana amin’ny gony lanjaina miditra tsy mivoaka foana, tao Mahadera, kaominina Marotalaona, distrika Ambanja dia nisy ny fanaraha-maso sy fidinana ifotony nataon’ireo mpitandro filaminana. Tra-tehaka tamin’izany tokoa ny gony an-jatony teo ho eo (140 isa hoy ny loharanom-baovao) tao amin’ilay trano, izay rehefa nosavaina dia nahitàna rongony, vita fatotra sy vita voatra. Mitotaly any amin’ny dimy taonina sy valopolo kilao any izy io, hoy hatrany ny vaovao. Mbola nahitàna irony menaka rongony irony ihany koa tao amin’ilay trano izay mitotaly eo amin’ny 21 litatra eo. Marihana fa ity menaka ity no tena lafo indrindra raha eo amin’ny tsenan’ny zava-mahadomelina eto amintsika satria dia tombanana ho any amin’ny fito hetsy ariary any ho any ny iray litatra.

Tsy afa-nitsoaka intsony ny olona tao amin’ilay trano tamin’ny fahatongavan’ny zandary teny an-toerana. Olona miisa efatra araka izany no nosamborina ary nentina natao fanadihadiana. Tamin’izany no nahafantarana fa ny iray tamin’izy ireo, hoy ny avy eo anivon’ny zandary no tena lehiben’ny mpamongady rongony any amin’iny faritra iny, ary ireo olona  telo miaraka aminy dia mpiara-miasa sy mpiray tsikombakomba aminy avokoa. Tamin’ny famotorana lalina nataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany aza no nahafantarana mbola manana rongony manodidina ny iray taona sy roanjato kilao eo izy ireo, izay efa nokasaina avadika ho menaka ary nogiazana ihany koa.

Nitsoka vetivety tokoa ny rivotra any am-pita, mahakasika ny fahalanian’ilay fanesorana ny rongony (cannabis) ho ao anatin’ny sokajin’ny zava-mahadomelina, izay nofidin’ireo teo anivon’ny Kaomisionina manokana miandraikitra ny zava-mahadomelina (CND) eo anivon’ny ONU, ny voalohan-dohan’ny volana teo. Manomboka izao dia sokajiana ho zava-maniry fatao fanaody ny jamala sy izay mifandraika aminy, ary manaraka ny toromariky ny OMS. Marihana fa ny Fikaonan-doha iraisam-pirenena manokana momba ny zava-mahadomelina, ny taona 1961, no nametraka ny rongony ho zava-mahadomelina araka hita ao amin’ny tohin-kevitra fahefatra voarakitr’ity Fikaonan-doha ity. 59 taona aty aoriana dia izao nesorina tao izao indray. Na izany na tsy izany aza anefa dia mbola mampatsiahy hatrany ireo mpitandro filaminana fa ny lalàna eto amintsika dia mbola manamafy fa voarara  ny fambolena, fanangonana ary fivarotana ity zava-mahadomelina ity.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires