• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Fampandriana fahalemana : Zandary efatra indray maty tao anatin’ny herinandro

16/11/2020 04:16 © Moov

Mafy ho an’ny fianakaviam-ben’ny zandamariam-pirenana tokoa raha iny herinandro nivalona iny. Zandary efatra be izao, tao anatin’ny fanantaterahana ny asany, fampandriana fahalemana, fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, no lavo an-tanim-piadiana.

 

Raha ny fampitam-baovao azo, nifanandrina ihany koa tamin’ny andian-dahalo nirongo fiadiana ny andian-tafika nisy ny GHC (gendarme hors classe) Ratovoson Boromé, tao Ankijana, Bemandrona, kaominina Marotsipoy, distrikan’ Anjozorobe. Voalaza fa teo am-panarahan-dia dahalo avy nanafika tany amin’iny tanàna iny ireto zandary ireto no nifandona tamin’ireo dahalo ireo. Maty voatifitra tamin’izany ity farany. Nentina niakatra avy hatrany moa ny nofo mangatsiakan’ity mpitandro filaminana ity. Ireo namany hafa tany an-toerana kosa dia mbola nanohy ny fanarahan-dia sy ny hazalambo ireto farany. Omaly moa no natao ny fanaovam-beloma farany ity maherifo ity tetsy amin’ny tobin’ny Faripiadidian’ny zandariariam-pirenana tetsy Ankadilalana. Lanonana ara-miaramila izay notronin’ireo manamboninahitra ambony teo anivon’ny fibaikoana ny zandary. Tonga nanome voninahitra izany ihany koa ny  Ministra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.

Tsiahivina fa nahery vaika tokoa ny fifandonana tamin’ny andian-dahalo tamin’iny herinandro nivalona iny, tamin’ny faritra maromaro teto amintsika. Talohan’iny tany Anjozorobe iny, ny alakamisy teo dia nisy fifandonana indroa miantoana be izao tamin’ny andian-dahalo am-polony maro nirongo fiadiana. Tamin’io no nahavoatifitra ny zandary kilasy faharoa Hajaso Alain Boris, miasa eo anivon’ny Tobim-paritry ny zandary ao Mahabo. Voatery nandefasana angidim-by mihitsy moa tany an-toerana tamin’io fotoana io ary niara-nisalahy tamin’izany ny teo anivon’ny Tafika Malagasy. Fa talohan’izay ihany koa, dia zandary roa ihany koa no lavo an-tanim-piadiana raha iny handeha hanara-dia sy hanenjika olon-dratsy mpaka an-keriny iny, tany Malaimbandy. Raha ny voalaza dia tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena faha-35 ny fiara nitondra azy ireo ka izao namoizana aina izao ary naharatrana zandary vitsivitsy. Nampahatsiahy moa ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny fibaikona ny zandary fa « tsy miasa jamba rafozana ny zandary miasa tsara sy manome vokatra tsara fa eo ny fibaikoana miahy hatrany ».

m.L

Lire la suite

Articles Similaires