• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

CIM Ambohidahy : Nisy andian’olona nanakorontana

11/07/2019 03:33 © Moov

Andian’olona maromaro, tsy fantam-piaviana no tonga nanakorontana teny anivon’ny Ivon-toerana misahana ny fiarakodia na ny CIM teny Ambohidahy ny talata hariva lasa teo. Nisy fitaovam-panjakana maromaro simba tamin’izany araka ny fanazàvana azo sy ny hita teny an-toerana. Marihana hoy ny fanazavàna azo fa andian’olona tsy manan-draharaha velively tao an-toerana ireto olona tonga nigafy sy nanakorontana ireto. Efa nisy moa ny fametrahana fitairanana natao teny anivon’ny mpitandro filaminana ary efa mandeha ny fanadihadiana.

Toromarika. Fa manoloana izay tranga izay dia nisy araka izany ny fiantsoana mpanao gazety nataon’ny Lehiben’ity Ivon-toerana ity, Atoa Randriamahafehy Briand, « Administrateur civil », nampahafantariny fa tsy azo ekena velively ny zavatra toy izany. Hisy ihany koa araka izany ny fepetra manokana noraisin’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny CIM, hisorohana izay toe-javatra izay. « Tsara ny manome izao toromarika izao ho an’ireo olona manan-draharaha eny an-toerana ahafahana misoroka ny fanankoronana sy fanimban-javatra nataona andian’olona vitsivitsy. Mahakasika ny filaminana dia hisy ny fepetra raisina izay ho hitanareo eny an-toerana. Aoka ihany koa mba samy hitondra karam-panondrom-pirenena izay hosavaina ireo olona manan-draharaha eny. Ary farany dia aoka mba hanaraka ny fandaminana napetraka ny tsirairay hanafaingana kokoa ny tolotra omena ireo mpanjifa » hoy ity tompon’andraikitra voalohany ny « Centre immatriculateur »  ity.

Fanomezana fahazoan-dàlana. Taorian’ny disadisa sy ny trangan-javatra tsy nety teo aloha teo tokoa dia nisy ezaka fanatsaràna nataon’ny fitondram-panjakana amin’izay fanomezana fahazoan-dàlana « biometrique » sy « carte grise » vaovao izay. « Efa mizotra tsara amin’ny tokony ho izy izany » hoy ny fanazavàna azo. Marihana anefa fa mbola any amin’ny ny taona 2020 any ho any vao hiroso amin’ny fanoloana ireo fahazoan-dàlana « tsy nety » ity Ivon-toerana ity. Mbola ny fanomezana ireo fahazoan-dàlana vaovao, ho an’ireo olona vao afaka fanadinana aloha hatreto no ataon’izy ireo. Na izany aza anefa dia efa antontan-taratasy manodidina ny 400 isa any ho any isan’andro no kirakiraina eny an-toerana, araka ny voalaza hatrany.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires