• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Jiolahy tratra tao Vavatenina : Mitaky fitsaram-bahoaka ny fokonolona, voatery nanapoaka basy ny polisy sy ny zandary

26/10/2018 21:00 © Moov

 

Ny harivan’ny alarobia tokony ho tamin’ny 07ora hariva teo dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Sahivo, 07Km miala ny tampon-tanana ao amin’ny kaominina Antanamarina, distrikan’i Vavatenina. Tsy nisy aloha ny olona maty sy naratra na vola lasa tamin’izao fanafihana izao, satria nisy nahatsikaritra mialoha ny zavatra nitranga ka avy hatrany dia niantso zandary ireo fokonolona. Tonga tokoa ny zandary ary raikitra avy hatrany ny fifanenjehana teo amin’ireto olon-dratsy sy ny zandary ka tratra tamin’izany ny iray tamin’ireo jiolahy. Nentina niakatra ny tampon-tanana tao Vavatenina ny marainan’ny alakamisy omaly ity jiolahy tratra ity. Raha naharaka izany ireto fokonolona dia nanara-dia izany niakatra tao Vavatenina ihany koa. Diso adiresy anefa ireto fokonolona, satria ny biraon’ny polisy indray no nitangoronan’izy ireo nitaky ny famoahana ilay jiolahy tratra hanaovan’izy ireo fitsaram-bahoaka. Voatora-bato tamin’izany ny biraon’ny polisy tao Vavatenina, ka polisy iray no naratra vaky loha vokatra izany. Niezaka nanazava tamin’ireto fokonolona ihany anefa ireto polisy na teo aza ity fitangoronana sy ny tora-bato nahazo ny biraon’izy ireo sy ny polisy miasa any an-toerana ity. Tsy nanaiky anefa ireto fokonolona mitaky fitsaram-bahoaka ireto ka voatery nanao tifi-danitra izy ireo nanapariahana ireto fokonolona. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha satria henon’ireto fokonolona indray fa eo anivon’ny zandary ilay jiolahy no hazonina, dia nirohotra nakany indray izy ireo taorian’ny tao amin’ny polisy. Nanao tery vay manta hiditra ny toby ny fokonolona. Niezaka nandresy lahatra azy ireo noho izany ny ben’ny tananany hiverina hody, nefa niziriziry izy ireo, ka voatery nanao tifi-danitra ny zandary nanapariahana azy ireo. Tokony ho ny mitataovovonana omaly, taorian’ny fifampiresahana teo amin’ireo fokonolona, ny ben’ny tanana, ary ny zandary dia nilamina ny raharaha ka niverina namonjy fodiana ireto fokonolona ireto. Tsy nisy ny naratra sy ny voasambotra, hoy ny Kly Justin Hary manantsoa Angelo, komandin’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina. Efa nilamina ihany koa omaly antoandro ihany ny tao Vavatenina, araka ny nambarany. Ankoatra izay dia tovolahy matetika voasambotry ny mpitandro ny filaminana noho ny asan-jiolahy fanaony ity tovolahy voasambotra ity, saingy afaka hatrany, ka izao mamerin-keloka izao, ka izay no mitarika izao fahatezeram-bahoaka hanao fitsaram-bahoaka izao, mba tsy hiverenany amin’ny ratsy ataony intsony. Omaly ihany dia nafindra eo anivon’ny tobin’ny zandary ao Fenerivo atsinanana ity jiolahy tratra ity hanaovana ny fakana am-bavany azy hisorohana ny zavatra hitranga ao Vavatenina.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires