• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Fanafihana teratany vahiny : Nitolo-batana teny amin’ny BC ny Officier Tanteliniaina

19/09/2018 21:00 © Moov

Fantatra izao fa nitolo-batana teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny fikarohana heloka bevava na BC teny Anosy, ny 18 septambra teo, ilay manamboninahitra ao amin’ny Polisim-pirenena voarohirohy ho nanafika teratany vahiny (Sri-Lankais) tetsy Antsahavola ny 10 septambra lasa teo. Volamena 5,360 kg no voalaza fa voaroba tamin’ny voatafika. Taorian’izay dia nanjavona tsy namonjy ny toeram-piasany ity polisy fantatra amin’ny anarana hoe Officier Tantely ity ka nahatonga ny BC namoaka « avis de recherche » mba hahafahana misambotra azy.

Raha tsiahivina ny tantara, raha araka ny fanazavana avy amin’ny Lehiben’ny « Police judiciaire (DPJ) eo anivon’ny Polisim-pirenena. Ny 10 septambra no naharay fampandrenesana momba ity fanendahana mitam-piadiana ity ny teo anivon’ny BC. Io andro io ihany koa dia nisy fanambarana fiara mampiahiahy teny Antsahavola. Niainga teo dia nanao ny fitsirihina ny Polisy mpanao famotorana ka nahafantatra fa nisy ifandraisana tanteraka ireo tranga roa ireo. Ny loharanom-baovao ihany koa no nampahafantatra fa nisy olona nitonona ho « Commandant » nitondra io fiara nariana teo Antsakaviro io. Nisy ihany koa ireo Polisy mpandrindra ny fifamoivoizana nanamarina fa nitonona ho « Commandant » tokoa ilay olona nitondra io fiara io. Tanatin’ny fanadihadihana avy eo no nahafantarana fa manamboninahitra ao amin’ny Polisim-pirenena izy io. Ny fanadihadiana ihany koa nahalalana fa ny mpamily ny fiaran’ity teratany vahiny voatafika ity ihany koa no tompon’antoka voalohany tamin’izao fanendahana nitam-piadiana izao. Niaky tanteraka ny heloka nataony ity farany ity ary nanondro ny namany sy ny mpiray tsikombakomba aminy.

Marihina fa nitolo-batana niaraka tamin’ilay volamena very ity manamboninahitra polisy ity. Rehefa naseho ny tompony io entana io dia azy tokoa ary tsy nisy nanambinana. Hanao ny fombafomba hamerenana izany entana izany ny Polisy ary hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela ireto olona telo voarohirohy amin’ity raharaha ity.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires