• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Ambatondrazaka : Zaza 3 taona nisy naka an-keriny ary notifirina ny anadahin-dreniny

22/08/2018 06:30 © Moov

Nitrangana fakàna an-keriny zaza tsy manan-tsiny sy vono olona tao Bejofo Ambatondrazaka, ny alakamisy alina teo. Tsy mbola tafody eo anilan-dray aman-dreniny hatramin’ny omaly io zaza io.

 

Mihorohoro fatratra ny mponin’ny kaominin’i Bejofo, distrikan’Ambatondrazaka tato anatin’ny dimy andro. Zazavavy 3 taona mantsy no nalaina andian-jiolahy an-keriny ary mbola notifirin’ireo olon-dratsy ihany koa ny anadahin-dreniny ny alin’ny alakamisy teo. Tsy hita popoka hatramin’izao ilay tsy manan-tsiny ary tsy avotra ihany koa ny ain’ilay dadatoany.

“Alina, tamin’ny 11 ora sy sasany ireo andian-jiolahy no niditra an-keriny tao amina tokantrano iray. Mpianaka, ilay zazavavy sy ilay reniny ihany no tao amin’ilay trano, ka rehefa tsy nahazo izay vola notakiany ireo jiolahy dia nobatainy ilay zaza teo am-pandriana”, araka ny fitantaran’ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandarimaria any an-toerana.

Nidradradradra nitomany anefa tetsy andanin’izay ilay zazavavikely. Noteren’ireo jiolahy nofonosina tamin’ny lamba ihany anefa izy ary nentin’izy ireo nitsoaka nivoaka ny trano. Nandritra izany indrindra no naheno ilay tomanin-jaza ny mpiray tampo tamin’ny reniny izay niray vodirindrina tamin’izy ireo ka taitra ary nizaha ny zava-nitranga. Tifitra variraraka avy hatrany anefa no nitsenan’ny iray tamin’ireo olon-dratsy azy ka nitsirara tamin’ny tany teo no eo.

Araka ny fitantaran’ilay renim-pianakaviana tamin’ny mpitandro ny filaminana moa dia, vola 100 tapitrisa ariary no nolazain’ireo olon-dratsy ireo fa takalon’ny ain’ilay zaza. Saingy fantatra omaly fa efa miroso ny fifampiraharahana ary nampidina ny vola notakiany ireo mpaka an-keriny, saingy notanan’izy ireo ho tsiambaratelo izany.

Hala-tahaka?

Mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fitaterana moa ny rain’ilay zazavavy nalaina an-keriny, ary tamin’ny fotoana tsy naha teo azy no nitrangan’ity asa ratsy ity. Nanao tombana ny mpitandro ny filaminana fa hala-tahaka ny tranga niseho tany Tsaratanàna ity fakàna an-keriny tao Bejofo ity.

“Hitan’izy ireo ho nahazoana volabe ilay nitranga tany Tsaratanàna, herinandro vitsy lasa izay, ka izany no nalainy tahaka. Efa manatanteraka ny fikaroham-baovao rehetra anefa amin’izao fotoana ny zandary, na dia tsy mandray anjara amin’ny fifampiraharahana ara-bola aza”, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Ahian’ireo mpitandro ny filaminana ho mponina eo an-tanàna ihany mantsy ireo mpiray tsikombakomba sy mpanatanteraka ity asa ratsy ity.

Prisca Ranjalahy

Lire la suite

Articles Similaires