• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Savorovoro tao Betafo - Olona fito nidoboka am-ponja vonjimaika

24/07/2018 12:00 © Moov

Ny Alatsinainy teo vao tontosa ny fiatrehan’ireo olona fito voalaza fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fandrobana ny havan’ilay mpandraharaha tao Betafo, herinandro lasa izay. Notononin’ny mpitsara fa nalefa any am-ponja izy ireo taorian’ny fampiakarana ny raharaha.

Naharitra tapak’andro ny fiatrehan’ireo olona voasaringotra tamin’ilay fandrobana ny tranon’ny havan’ilay mpandraharaha malaza ao Betafo. Fantatra àry nidoboka any am-ponja vonjimaika izy fito, rehefa avy nohainoin’ireo mpitsara mpanao famotorana nandritra ora maro.

“Sarotra ny fanapahana na dia noraisim-potsiny teo am-pibatana entan’olona aza izy ireo. Etsy an-kilan’izany ihany koa anefa ny efa nisian’ireo olona maro nandroba tranon’olona, saingy tsy afaka nisambotra ireo mpitandro ny filaminana nandritra ilay toe-draharaha nafana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny tomponandraikitry ny fandriampahalemana izay nanatrika ny fiatrehan’izy ireo ny fampanoavana.

Fandrobana

Herinandro anio moa no nisehoan’ilay savorovoro tao an-tampon-tanànan’i Betafo. Fandrobana trano sy tranombarotra fananana mpandraharaha tao an-tanàna no niantombohan’izany, ary nihitatra tany amin’ny toeran-kafa. Ny ampitson’ny alahady 15 jolay, fotoana niantombohan’ny korontana mantsy dia, lasibatra ihany koa ny tranon’ny rafozan’io mpandraharaha ao Betafo io. Voalaza fa tratra ambodiomby ireo andian’olona nanatanteraka izany ka noraisim-potsiny.

“Avy hatrany dia nosamborina izy ireo ary nentina natao fanadihadiana tany amin’ny borigadin’ny Zandarimariam-pirenena tao an-toerana. Taorian’izay dia tsy nampiakarina tany Antsirabe ny raharaha”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

Efa nihoatra 48 ora tamin’izay ny fitazomana ireo olona fito ireo, saingy fantatra fa nangataka fanalavam-potoana ireo mpanao famotorana tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Ary iny omaly iny vao tanteraka ny fiatrehan’izy ireo ny fampanoavana.

PRISCA RANJALAHY

Lire la suite

Articles Similaires