• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Nahatratra 3000 ireo dahalo maty tato anatin'ny dimy taona

22/06/2018 21:00 © Moov

Dahalo 3 000 ary fokonolona nahatratra 1.000 no maty nanomboka tamin’ny taona 2013, vokatry ny halatr’omby ary ny fifanafihana. Nanao antso avo ny mba hampihenana io isa io ho an’ny dimy taona manaraka ny Zandary, omaly teny Andrefan’Ambohijanahary.

Faty olona mikararana. 4.000 ny isan’ireo olona maty noho ireo trangana tsy fandriampahalemana teto amin’ny Nosy, tato anatin’ny dimy taona. Izany no tatitra nataon’ny kolonely Ravoavy Zafisambatra, tale jeneralin’ny Sampandraharahan’ny filaminana sy ny angombaovao (DSR) eo anivon’ny Zandarimariampirenena, teny amin’ny toby Ratsimandrava, omaly.

“Mizara roa mazava io antotan’isa io. Ny ampahany betsaka dia ireo dahalo maty noho ny fifampitifirana sy ny fifanafihana. Ary ny ambiny kosa dia ireo fokonolona tao an-tanàna”, hoy ny fanamarihan’ny kolonely Ravoavy.

Novelabelarin’ny talen’ny DSR moa fa nahatratra 3.000 ireo voatondro ho dahalo sy mpangalatr’omby maty tamin’io antotan’isa nampitainy io. Ary ny 1.000 kosa dia fokonolona sy tsy manan-tsiny voatafika na ihany koa nindaosin’ny fahafatesana nandritra ny fifanandrinana.
Nanaiky ny famaritana ity antotan’isa ity ho mihoa-pampana moa ny kolonely Ravoavy. Raha atao mantsy ny fampitahana dia mitovy amin’ny isan’ireo mponina amina kaominina iray any ambanivolo ny isan’ireo olona maty. Fanafihan-dahalo no mihitatra ho fifanafihana, izay miafara amin’ny fifamonoana, no isan’ny anton’ity antotan’isa mahazendana ity. Nilaza ho tsy mahefa amin’ny fanaraha-maso ny fifampitondrana eny anivon’ny fiarahamonina anefa ny Zandary.

“Ilaina ny fandraisana andraikitra avy any ifotony. Ireo tomponandraiki-panjakana sy ireo olobe ao an-tanàna no tokony mampitsahatra ny fifanafihana ka miara-manapa-kevitra ary mitandro ny fahalemana avy eo ireo Zandary”, hoy ny vahaolana natolony.

Tsy ireo maty ihany mantsy no mihoa-pampana fa ireo voasambotra noho ny halatra sy ny fanafihana ary ireo asa tsy fandriampahalemana isan-karazany ihany koa.

FISAMBORANA

Olona mahatratra 2.000 isan-taona no tra-tehak’ireo mpitandro ny filaminana manerana ireo faritra eto Madagasikara noho ny tsy fandriampahalemana. Voatondro ho nangalatr’omby na ihany koa nanao fanafihana avokoa izy ireo, araka ny fanamarihana voaray. Izany hoe, efa mahatratra 10.000 izy ireo tao anatin’izay dimy taona izay.

Nilaza moa ny kolonely Ravoavy fa efa nanomboka ny fametrahan’izy ireo paikady hiadiana amin’ity asa tsy fandriampahalemana ity. Isan’izany ny fametrahana mpitandro ny filaminana manokana any amin’ireo distrika izay mafana amin’ny halatr’omby sy ny fanafihana, raha tsy hilaza afa-tsy i Menabe, Melaky, Bongolava ary Sava. Ary vao haingana no nampiasa angidimby ny mpitandro ny filaminana, izay nahafahana namerina ireo omby anjatony very tamin’ny tompony, tany Ambatofinandrahana.

Prisca Ranjalahy

Lire la suite

Articles Similaires