• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

RN4 – RN6 : Mampirongatra ireo asan-dahalo ny fisian’ireo « casseurs de vitesse »

21/06/2018 21:00 © Moov

Velon-taraina ny amin’ny nametrahana ireo dongona mametra ny hafainganam-pandeha eny amin’ny làlam-pirenena ireo mpitatitra. Fanafihana sy lozam-piarakodia mantsy no vokatr’izany.

Nampiaka-peo manoloana ny fametrahana ireo dongona izay mametra ny hafainganam-pandeha ireo mpitatitra mampiasa ny làlam-pirenena fahaefatra sy fahaenina, omaly. Nirongatra tato anatin’ny andro vitsy mantsy ny fanafihana sy asan-dahalo noho ny fisian’ireo fotodrafitrasa ireo.

«Mpamily telo izao no tsy maintsy nalefa nampanarahana fitsaboana any amin’ny hopitalin’i Maevatanàna noho ireo ratra nahazo azy. Voafira tamin’ny antsy ny loha sy ny sandrin’izy ireo», araka ny fitarainana nataon-dRakotoarisoa Martin, solontenan’ireo mpitatitra eny amin’ny Rn4 sy RN6.

Fantatra ary nohamarin’ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana fa nisehoana fanakanan-dàlana teny amin’ny RN4, hiditra an’i Maevatanàna afak’omaly. Fiara taksiborosy efatra no lasibatra. Nolazain’ireo mpitatitra fa nanamora ny asa ratsin’ireo mpanakan-dàlana ny fisian’ireo dongona teo Beanana, RN4.

«Sady asiany sakan-dàlana alohan’ny hanitsahana ireo dongona ka tsy afa-mihetsika ireo fiarakodia. Manampy trotraka ihany koa ny haavon’ireo famerana ny hafainganam-pandeha ireo», hoy hatrany ity solontenan’ireo mpitatitra ity.
Notanisain’ireo mpamily ohatra ireo làlana mampidi-doza izay hiafenan’ireo dahalo eny amin’ny làlam-pirenena andalovan’izy ireo isan’andro. Eny amin’ireny toerana faritan’izy ireo ho faritra mena amin’ny fanafihana ireny anefa no ivangongoan’ireo dongona.

Hanao hetsika?

Manoloana izany dia nilaza ny hanome hateloana ny minisitera, izay nametraka na ihany koa nanome alalana nametraka ireo dongona ireo, ny fikambanan’ireo mpitatitra eny amin’ny RN4 sy RN6. Nandà ny nilaza ny hetsika mety hataon’izy ireo hanehoana ny tsy fahafaliany anefa izy ireo.

“Hanao hetsika iarahana izahay afaka 72 ora ”, hoy hatrany Rakotoarisoa Martin.
Tsy eny amin’ ny làlam-pirenena ihany anefa no tandindonin-doza noho ireo dongona famerana ny hafainganam-pandeha ireo. Vao afak’omaly no nisiana lozam-piarakodia naharatrana olona teny amin’ny làlana By-pass noho io fotodrafitrasa mampitaraina ireo mpitatitra io.

Prisca Ranjalahy

Lire la suite

Articles Similaires