• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Fitoraham-bato fiara teny amin’iny RN2 : “MD” i Romeo, manangana barazy hamotsorana azy ireo mponina

06/12/2017 00:00 © Moov

Tena mafana ny disadisa eo amin’ny fitsarana sy ny zandary, ny fitsarana sy ny mpitatitra amin’ny lalam-pirenena faha-02, ary ny kaoperativa mampiasa ny lalam-pirenena faha-02 sy ny mponina ao Brickaville, taorian’ny nisamborana fanindroany indray an’i Romeo Lucien Randrianandrasana na “Dada” ilay mpivaron-kena voaroiroy ho isany mpanarama ireo mpitora-bato ao Brickaville.


Ny alatsinainy teo no efa tonga teo anivon’ny tonia mpampanoa lalana ny antontan-taratasim-panadiadiana nataon’ny zandary tamin’ingahy Romeo Randrianandrasana na i “Dada”, efa nentina teo anivon’ny fitsarana ihany koa ny tenany teo am-piandrasana ny fehin-tenin’ny fampanoavana mikasika ny raharaha manejika azy. Tamin’ny iray ora sy sasany tolakandro anefa dia nasaina niverina omaly talata indray izy ireo, ka samy niandry izay ho tenin’ny fampanoavana ny zandary sy ny fianakavian’i “Dada” ary ireo mpiara-monina amin’i Romeo. Hagagana anefa ny an’ny rehetra fa raha efa nahavita ny fehin-teniny ny tonia mpampanoa lalana, dia tsy misy mety mandray ilay antontan-taratasin’ny tora-bato tao Brickaville ireo mpitsara mpanao famotorana tokony hiazona izany, nanakatom-baravarana avokoa izy ireo ny talata.

Vokatra ity fisamborana an’i Romeo na i “Dada” fanindroany tao Brickaville ity taorian’ny fanomezan’ny fitsarana fahafahana vonjimaika ho azy tany amboalohany ny raharaha, dia naneho ny tsy fahafaliany ireo mponina ao Brickaville izay nilanja sora-baventy manerana ny tanana sy tamin’ny lalam-pirenena faha-02 ny alatsinainy lasa teo. Nisy noho izany ny fanazavana nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety notarihan’Atoa Bary Jean Julien, fa amin’izy ireo dia olona marary saina tsy misy zavatra atao ao Ambalamakondro Brickaville ireo telo lahy nanonona ny anaran’i Romeo tamin’ity raharaha tora-bato fiara mpitatitra ity; koa raha misy ny zavatra manjo an’i Romeo na i “Dada” indrindra ny fampidirana am-ponja amin’ny zavatra tsy nataony izao, dia haverin’izy ireo ny barazy tahaka ny taona 2002. Ny didy nivoaka omaly tolakandro anefa dia nampiditra am-ponja vonjimaika an’i Roméo, raha avy nanakiana ny zandary ny mpitsara.

Ho an’ireto mponina ao Brickaville ireto dia tsy mpivaro-kena tahaka an’i Romeo na i “Dada” mihintsy no hahavita hanarama olona hitora-bato amin’ny lalam-pirenena faha-02; tsy olona adala ihany koa ny vahoakan’i Brickaville ka hitora-bato fiara mpitatitra tsy manelingelina azy. Ho an’Atoa Bary Jean Julien mpitondra tenin’ireto mponina anefa dia miisa telo ny olona mitondra ny solon’anarana hoe “Dada” ao Brickaville sy ny manodidina azy, koa maninona no tsy samborina avokoa ireo “Dada” rehetra ireo hanaovana fanadiadiana mba tena ahitana ny marina, indrindra ity “Dada Miliaridera” ao Antsampanana izay efa malaza amin’ny famakiana kaontenera. Raha ny zava-misy izany dia tena hahiana hihitana fatratra ity raharaha tora-bato fiara ao Brickaville ity, satria samy manana ny heviny ny zandary, ny mpitatitra, ny mponina, ny fianakavian’i Romeo, ary ny fitsarana misahana ny antontan-taratasin’adin’ireo voasambotra.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires