• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Toamasina : Vola vaovao 20.000 sy 10.000 ariary sandoka nividianana entana mitentina 670.000 ariary

30/11/2017 00:00 © Moov

Ny 22 novambra teo dia nisy ity raim-pianakaviana iray ity nividy entana tamin’ity mpivarotra iray izay isan’ny goavana ao Ambodibonara kaominina Andranombilaha Toamasina II.


Niandrasany tsy tao an-tanana fa nividy entana teto Toamasina ilay ramatoa tompon’ny tranom-barotra fa ny reniny izay efa antitra ihany no nivarotra, no nohararaotiny nividianana ny entana maromaro andro hariva, ka nandritra izany dia vola sandoka 20.000 ariary sy 10.000 ariary tamin’ireo vola vaovao nivoaka tsy ela no nampiasainy tamin’izay. Mitetina 670.000 ariary ny sandan’ny entana novidiany saingy tao anatin’izay dia ny 30.000 ariary ihany no vola tena izy fa ireo vola 20.000 ariary niisa 10 sy ireo vola 10.000 ariary niisa 26 dia vola sandoka avokoa. Tsy nahita ireto vola sandoka anefa ilay ramatoa nivarotra, fa ny vola nafaran’ilay ramatoa tompony teto Toamasina hanampiana hividianana entana vao nahatsikaritra izany ka avy hatrany dia nametraka fitoriana teo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

Ny 23 novambra ihany dia nanomboka ny fikarohana tratra tamin’izany ity raim-pianakaviana ity satria tadidin’ilay ramatoa nivarotra tsara ny endriny. Vao tratra anefa ity raim-pinakaviana ity dia nilaza fa avy nivarotra vatosoa tao Antananarivo ny tenany, ka nandritra izany no nahazoany ireto vola sandoka tamin’ny vola vaovao ireto, nilaza ny vonona hiara-hiasa amin’ny zandary koa ny tenany ka nanome ny laharana findain’ilay olona nividy ny vatosoany izay nahazoany ireto vola sandoka ireto.

Nandritra ny fakana am-bavany azy teo anivon’ny zandary ihany koa nilazany fa hosoloiny ireto vola sandoka nomeny ireto mpivarotra ireto, saingy tsy nanaiky izany intsony ilay mpivarotra noho ny vola sandoka heloka be vava. Nandritra ny fakana ny vaovao teo anivon’ny zandary anefa dia namoaka vava ity raim-pianakaviana nampiasa vola sandoka ity fa “tsy ho voagadranareo izany aho raha mbola misy ihany koa ny vola, satria mahalala olona maro eo anivon’ny fitsarana aho ary vonona ny hampiasa vola be hahafahako tsy hiditra am-ponja”. Omaly fiafaran’ny tokalak’andro no niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny raharaha ka tamin’ny fotoana nanoratana ny vaovao, tsy mbola fantatra ny didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires