• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Fifampitoriana noho ny « facebook » : Sazy mihantona sy fahafahana noho ny fisalasalana

29/11/2017 00:00 © Moov

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mahakasika ny fifampitorian’i Andry Andriantongarivo sy Berija Ravelomanantsoa ary François Aimé dit Sambahita. Efa vita tamin’ny herinandro lasa teo ny fandaharana rehetra, fa ny didy sisa no navoakan’ny fitsarana misahana ny ady heloka tsotra, omaly, tetsy Anosy.


Itsy voalohany, Andry Andriantongarivo, dia nahazo fahafahana noho ny fisalasalana ary ny mpifanandrina taminy kosa dia sazy mihantona herintaona miampy lamandy iray tapitrisa ariary izay harotsaka amin’ny mpitory. Raha tsiahivina, dia niainga tamin’ny fitorian’i Andry A. noho ny fandrahonana ho faty tamin’ny alàlan’ny antso an-telefaonina sy tamin’ny hafatra amin’ny tambajotra sosialy ny raharaha.

Rehefa niakatra teny amin’ny fitsarana izany, dia nitory koa i Berija sy Sambahita ary nilaza fa i Andry A. dia nangalatra niditra tao anaty kaontin’ny facebook izay azy ireo ary nampiasa izany. Ny vokatr’izany toe-javatra nifaningotra izany, dia fifamaliana teo amin’ny tambajotra sosialy izay nanintona ny mason’ny mpampiasa tranonkala an’arivony maro. Ny zava-misy ary tokony ho fantatry ny besinimaro, dia tena mihatra ny lalàna momba ny heloka mahakasika ny fizarana amin’ny tranonkala. Nisesy ny fifampitoriana tato ho ato ary isan’izany ity raharaha ity. Mbola misy iray hafa mandeha koa aza amin’izao fotoana ary etsy ankilan’izany, misy fikarohana olona izay nanaratsy ny tompon’ny rindrina iray tamin’ny facebook. Mpanao kaonty hosoka (fake) ilay niantefan’ny fitoriana ary malagasy monina any an-dafy no nangalariny ny sary ary nampiasainy tamin’ny facebook mba haratsiana. Io farany no nitory mazava hoazy ary lalàna frantsay no hiasa amin’ny fikarohana sy fanasaziana ilay tompon’antoka tamin’ny hosoka. Lesona azo tsoahina ireo tranga maromaro voalaza etsy ambony ireo, fa tompon’andraikitra tanteraka ny tsirairay amin’ny fanehoan-keviny amin’ny tambajotra sosialy. Tamin’ny voalohany, dia noraisin’ny mpampiasa tranonkala ho fiverenana amin’ny jadona sy famefena ny fahalalahana maneho hevitra ny zava-nitranga. Misy fahamarinany tanteraka izany, saingy kosa rehefa nihoatra ny fefy ary nitombo izay tsy izy ireo olona izay lasa asa an-davanandrony ny fanimbana olona, dia toa manomboka resy lahatra ihany ny mpampiasa tambajotra sosialy, ny amin’ny tokony hisian’ny fetra amin’ny fampiasana azy.

Na izany aza anefa, dia mbola mametraka olana ny fikarohana ireo mpisandoka, satria ny tsikaritra rehefa tena olona ambony ihany no voakasiky ny fanaratsiana, izay vao tena mihetsika ny mpanao fanadihadiana eo anivon’ny mpitandro ny filaminana izay miara-miasa amin’ny injenera sivily amin’ny informatika ka ny sasany dia manana fiaraha-miasa mivantana amin’ny foiben’ny facebook. Raha ny marina izany, raha tena alefa ny fanadihadiana, dia azo fantarina daholo ireo mpanaratsy izay tiana ho fantatra. Eo amin’ny lafiny ara-pitsarana indray, ny didy toy izay nivoaka omaly, arak’izay voalaza etsy ambony, na dia tsy nisy famonjana aza, dia efa miendrika fampitandremana ho an’ny tsirairay.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires