• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Raharaha tora-bato fiara ao Brickaville : “Natao an-tery hanaiky ny zavatra tsy nataony ireo olona voarohirohy”, hoy ireo mpitsara

29/11/2017 00:00 © Moov

Niitatra be ilay raharaha nanafahan’ny mpitsara mpanao famotorana vonjimaika teto Toamasina, ireo dimy mianadahy ka isan’izany ilay vehivavy tokana sy mpivarokena iray, voalaza fa mpanarama sy tompo-marika amin’ny raharaha fitorahana vato fiara mandalo ao Brickaville.


Taorian’ny fivoriana nanapahan’ireo mpitatitra olona sy mpitatitra entana mampiasa ny lalam-pirenena faha-02; izay hanao ny fitokonany manomboka anio, mitaky ny fisamborana sy famonjana ity vehivavy sy ity mpivarokena voatonontonona amin’izao raharaha tora-bato fiara ao Brickaville izao, dia namoaka ny heviny fanindroany ny antony nandraisan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny famotsorana azy ireo indray ny tonia mpampanoa lalana, Atoa Lauret Rajaona Thierry.

Nambarany tamin’izany, fa “Aveux Extorqué” na “filazana zavatra tsy natao mba ho marina vokatry ny daroka” no nisy nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary, ka nanonona ilay vehivavy sy ilay mpivarokena ho mpanarama azy izy ireo. Noho io antony io, dia didy famotsorana azy roa alohan’ny fitsarana, ny didy norasin’ireo mpitsara misahana izany. Nandritra ity fiantsoana mpanao gazety nataon’ny tonia mpampanoa lalana, omaly mitatao vovonana, dia nisy ny fampisehoany ireo mpitora-bato telo lahy tamin’ireo enina izay mifonja vonji# maika, tamin’ny mpanao gazety.Izy ireo izay voalaza fa, nisy ny daroka natao azy nandritra ny fakana am-bavany nataon’ny zandary. Naseho teo avokoa ireo ratra sy ireo fivontosana samihafa nolazaina fa voadaroka, izay nisy mihitsy araka ny fanazavana azo ny fakan’ny fampanoavana mpisolovava manokana ho azy ireo. Raha nanontaniana mikasika ny heviny momba ity raharaha ity ny zandary nisahana izany, dia nilaza fa “tsy hifamaly amin’ny tonia mpampanoa lalana sy ny fitsarana ny andraikitray, malalaka izy ireo amin’ny asany, fa samy tompo-marika amin’ny fanapahana raisiny ny tsirairay amin’ity raharaha ao Brickaville ity”.

Ny tena mahavariana amin’ity raharaha mpitora-bato ao Brickaville ity, dia ny fireharehan’ireto olona dimy nahazo famotsorana vonjimaika teo anivon’ny fitsarana. “Tsy misy tsy vitan’ny vola izany eo amin’ny fitsarana, izahay izao nandoa dimy tapitrisa ariary avy, dia afaka tsy nigadra” hoy izy ireo, raharaha hafa indray ny mikasika izany. Ankoatra izay, dia tsy misy olona sahy mijoro ho vavolombelona sy miteny mikasika ity raharaha ity ny ao Brickaville ao izao, hatramin’ny lehiben’ny distrika solontenam-panjakana aza ny fiaram-panjakana mijanona ao anaty fefin’ny tranony misy olona nametraka vato be teo amboniny, sy niharan’ny tora-bato ihany koa tamin’ny herinandro nivalona iny. Ny RNM sy ny TVM any an-toerana naka sary azy ireo teo anivon’ny zandary tamin’ny fisamborana azy ireo koa niharan’ny vaky trano ny sabotsy teo, sy mandeha ny fandrahonana ny fandoroana azy ankehitriny.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires