• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

RN7 : Mpandeha taxi-brousse miisa telo maty voatifitra

16/11/2017 00:00 © Moov

Jiolahy mirongo basy izay tsy voafaritra isa no nanafika fiara fitaterana nizotra tamin’ny lalam-pirenena fahafito.


Ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny fito ora hariva no nisy nanakana ny taxi-brousse teo amin’ny toerana antsoina hoe Andinta, fokontany iray izay ao amin’ny distrika Isandra. Tsy vitan’ny nanafika fotsiny ireo fa nampiasa hery avy amin’ny fitaovam-piadiana. Olona telo no maty vokatry ny tifitra. Raha ny fanazavan’ny zandary dia ahiana ho tsy fanafihan-dahalo loatra no nitranga fa vonoan’olona niniana. Ny antony dia satria nisy lehilahy iray antsoina hoe Mily izay efa nokarohan’ny mpitandro ny filaminana efa ela ary efa namoahana fampilazana fitadiavana mihitsy aza. Notohizan’ny zandary ny fanazavana izay nanambarany fa dahalo efa rainin-dahiny io olona izay voalaza io. Ny nampalahelo, raha toa ka ny ainy irery ihany no nofofoina, dia nisy tsy manan-tsiny hafa koa namoy ny ainy noho ny tifitra nahazo azy. Vehivavy iray sy lehilahy iray ireo maty nandritra ny fanafihana.

Na izany aza anefa dia tsy namelan’ireo olon-dratsy raha tsy azon’ireo ny volan’ny mpandeha taxi-brousse. Nintentina 8.200.000 ariary izany. Kaompania iray sy borigady iray an’ny zandary no indray nanokatra ny fanadihadiana momba ity heloka bevava izay mampivarahotsana indray ny mpivezivezy amin’ny lalam-pirenena fahafito ity. Vao tsy alina akory ny andro dia efa raikitra izany ny tifitra nahafaty olona tamin’ity indray mitoraka ity. Efa betsaka izay fepetra noraisina izay momba ity fanafihana amin’ny lalam-pirenena. Isan’izany ny fandraràna ny fiara ny tsy hivezivezy amin’ny alina.

Niteraka olona tamin’ny olona indray izany dia novaina. Tapaka ary fa tsy maintsy mandeha mifanaraka ny fiara maromaro izay vao afaka mandeha alina. Mbola nitohy ihany ny fanafihana ary noraisina ny fepetra momba ny fanasiana zandary mitam-basy ho isan’ny mpandeha. Nampihena ny fanafihana izany fa kosa tsy nahafoana azy tanteraka. Nisy fotoana aza dia nifampitifitra tanteraka ny roa tonta tao anaty maizina. Hatreto aloha dia miady aman’aina tanteraka ny mpandeha fiara iombonana rehefa mandeha amin’ny lalam-pirenena. Nefa tsy maintsy mandeha amin’izany…

D.R

Lire la suite

Articles Similaires