• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Fanamparam-pahefana sy fisolokiana : Mpanara-maso ny hetra telo niakatra fitsarana

15/11/2017 00:00 © Moov

Mpanara-maso ny hetra na (conroleurs des Impôts) telo, miasa ao amin’ny Ivon-ketra etsy Ambohimanarina sy olon-tsotra roa no niakatra Fitsarana tetsy Anosy, omaly tolakandro. Fanararaotam-pahefana sy fisolokiana ary fitakiana vola amin’ny tsy ara-dalàna (abus de fonction, escroquerie et extorsion de fonds) no iampangana azy ireo. Voatazona am-ponja vonjimaika ireto olona ireto, amin’izao fotoana izao.


Sinoa tompon’orinasa mpanao mofo tsy Ambohimamory ao amin’ny kaominina Andranonahoatra no mpitory. Ity farany izay ny mpisolovavany no nisolotena azy teo anoloan’ny Fitsarana, omaly. Araka ny voalazan’ity farany, nitondra ny raharaha teo anoloan’ny Fitsarana ny olona arovany rehefa nahita ny tsy ara-dalàna natao taminy. Isan’izany ny fitsabahan’ireto mpiasan’ny Hetra ireto any amin’ny faritra izay tsy ananany fahefana, ny tsy fisian’ny taratasy maniraka (ordre de mission) azy ireo, ary farany ny nanerena ity sinoa ity handoa 1 000 000 ariary ka 600 000 ariary no voalaza fa efa lasan’ireto olona ireto, fa raha tsy izany dia havoaka daholo ny lafarinina ao amin’ilay toerana fanaova-mofo mba hahafahan’ireo mpiasan’ny hetra manatanteraka ny fitsirihana ataony. Fiampangana izay nolavin’ny voampanga, indrindra ireo mpiasan’ny Ivon-ketra telo sy ireo mpisolovava roa mpiaro azy ireo nandritra ny fifandaharana teo anoloan’ny mpitsara.

Fitorohana nataona mpiasa voaroaka. Araka ny fanazavana, nitranga izao raharaha izao noho ny fitorohana nataona mpiasa izay voaroaka tao amin’io orinasa io fa tsy manara-dalàna eo amin’ny eo amin’ny Hetra ity farany. Nambaran’ilay mpitoroka fa « Espace » io toerana io ary tsy manana kara-ketra (carte fiscale) akory. Nandre izany ny iray tamin’ireo mpiasan’ny hetra ireo dia nanapa-kevitra fa hidina eny an-toerana hanao fitsirihana, 27 oktobra lasa teo. Nambarany fa zony sy andraikiny no manao izany satria « Espace » no resahana. Manana fahazoan-dalana hanao izany ny tenany, hoy izy, satria mpikambana ao amin’ny tetik’asa fametrahana « caisse enregistreuse » izay natomboka eo anivon’ny hotely sy ireo toeram-isakafoanana lahibe , ary manerana an’Antananarivo ny sehatra iasany na dia mpiasa ao Ambohimanarina aza ny tenany. Nitondra ny mpiara-miasa aminy izy, raha araka ny fiaraova-tenany hatrany, satria isan’ny fitsipiky ny asan’ny « controleur des Impôts » ny tsy miasa irery rehefa manao fidinana ifotony. Indrindra koa moa fa ilay fahatelo, dia manana fiara mba hitondra azy ireo eny Ambohimamory. Na teo aza anefa izany rehetra izany, nilaza ny mpitory fa tsy nampiseho izany fahazoan-dalàna manokana izany mihitsy ireto olona mpiasan’ny hetra ireto nefa dia nisava hatramin’ny kara-ketran’ilay orinasa mihitsy.

Nolavin’ny lehibeny. Mikasika ity resaka « ordre de mission » ity. Ny lehiben’ny Ivon-ketra eny Ambohimanarina sy ny eo anivon’ny Tale jeneralin’ny Hetra etsy Antaninarenina, dia samy nilaza fa tsy nampaniraka na nanome alalana ireto mpiasa ireto hanao izao fidinana ifotony izao avokoa. Fanomezan-dàlana izay tsy maintsy ilaina na fizahana tampoka na nasiana filazana mialoha no atao. Fanambarana izay nahatonga ny mpisolovava ny mpitory hilaza fa nisy tokoa ny finiavana hanararao-pahefana sy hisoloky ny olona arovany. Indrindra moa fa nisy ireo olon-tsotra roa ireo, izay voalaza fa niara-tonga tamin’ireo mpiasan’ny hetra ireo teny amin’ilay orinasa io 27 Oktobra io. Nilaza anefa ireto olona roa ireto, fa tsy nisy mihitsy fifampiraharahana nataon’izy ireo tamin’ireo mpiasan’ny hetra ireo. Nefa araka ny filazan’ny mpisolovava ny mpitory dia ireo olona ireo no nitaky sy nandray ny vola 600 000 ariary tamin’ilay Sinoa ny 30 oktobra rehefa avy nanery sy nandrahona ity farany nandritra ny fotoana maharitra. Nanda izany anefa ireto olon-tsotra ireto ka nilaza fa ilay Sinoa no niantso azy ireo mba hanampy azy, fa manana olona goavana izy manolona ny hetra. Niantso azy ireo ilay sinoa ary sitrapon’ilay Sinoa no nanomezana azy ireo nuy vola 600 000 ariary. Indrindra, hoy ihany izy ireo, fa hatao saran-dalana amin’ny asa izay hataon’izy ireo hanampiana ilay Sinoa no nanomezan’ity farany izany. Nankeny amin’ny Ivon-ketra teny amin’ny 67 ha izy ireo avy eo mba hizaha olona mety hanao izany fa tsy namonjy ireo mpiasan’ny hetra avy eny Ambohimanarina ireto mihitsy ary tsy nanome na ariary an’ireto farany izay nanizingizina fa tsy niresaka na niverina tany amin’ilay Sinoa intsony rehefa nahita fa ara-dalàna ny taratasy momba azy. Tsy misy « Esapce » ao amin’ny orinasa, fa fanaova-mofo ihany.

Mitaky fampiharana ny lalàna. Tao aorian’ny fifandaharana, dia nangataka ny fampiharana ny lalàna ny teo anivon’ny Fampanoavana rehefa nilaza fa feno ny fepetra mampitombina ny fiampangana ireo voampanga. Nisy ny fikasana hoy izy ary toa mitombina ny firaisana tsikombakomba amin’ireo olona dimy ireo. Tetsy ankilany kosa, nanitrikitrika ny mpisolovava ireo voampanga ny tsy mahameloka ny olona arovany. Aminy dia fahadisoana eo amin’ny asa no tokony hanenjehana azy ireo. Noho izany dia nangatahany ny fanafoanana ny fanenjehana ny olona arovany. Marihina, fa onitra 25 tapitrisa ariary no takian’ny mpitory tamin’izao raharaha izao. Nisy moa ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpisolovava ny voampanga, saingy nolavin’ny Fitsarana izany. Naverina eny am-ponjaka avy hatrany noho izany izy ireo mandra-piandry ny didim-pitsarana izay hivoaka anio Alarobia 15 novambra.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires