• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Antsirabe : Gadra tokony hifonja, voarohirohy amin’ny halatra omby indray

14/11/2017 00:00 © Moov

Tsy nisy nahafantatra azy ny fokonolona fa olona tokony higadra miandry ny fitsarana azy any am-ponja ity mirenireny sy manao ny asany andavanandro.



Nanamafy izany ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandary ary voaporofo fa tokony higadra miandry ny fitsarana azy io lehilahy io, nefa dia izao voarohirohy amina halatra omby izao indray. Raha tsiahivina, nitrangana fanafihan-dahalo tao Ampeka, fokontany Mananjary, kaominina Ibity, ny 7 novambra lasa teo. Omby roa no very tamin’izany saingy taorian’ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona sy ny zandary dia hita tao amina trano iray tao Andramamba, fokontany Verezambola Antsirabe I, ny omby ary nisy olona nitazona azy tao. Nambaran’ity farany fa nisy nanatitra tao aminy ireo omby ireo ary fantany tsara io olona io.

Rehefa nohamarinina tao an-tranony anefa io olona io dia nilaza ilay ramatoa vadiny fa tsy eo izy fa migadra any am-ponja. Nohamarinina tany am-ponja niaraka tamin’ny zandary ilay io ary hitany tao tokoa fa tsy sahy niteny teo imason’ny tompon’ndraikitra ilay vavolombelona raha tsy tany ivelan’ny fonja, noho ny tahotra, ka nibitsika tamin’ny zandary fa tena io tokoa ilay olona nambarany. Nitohy ny fanadihadiana nataon’ny zandary ary voaporofo fa tena ilay rangahy tokony higadra mihitsy ity voarohirohy ity.

Isan’ny porofo mivaingana tamin’izany, hoy ny zandary, ny fahatratrana ny zana-drahalahiny izay nilaza sy niaky fa niaraka taminy ny alin’ny nahevery ny omby tao amin’ny vohitra antsoina hoe Vonizina, nitsena ny omby naterina dahalo miisa dimy.

Ankaotra izay ny fijoroana vavolombelona maro milaza fa dia manao ny asany andavanandro izy io, ankoatra ny mpanampiny izay nanamafy fa mivoaka isan’andro ilay io mandanja hena. Marihina moa fa resaka fividianana omby halatra no mahavoasaringotra ity gadra ity sy ireo namany ary atolotra ny fampanovana anio izy ireo araka ny fanazavan’ny GPHC Damy Bevahiny lehiben’ny borigady Andranomadio Antsirabe. Matetika no andrenesana fa olona voafonja hatrany ireo voasambotra manao asa ratsy etsy sy eroa eto Antsirabe sy ny manodidina. Isan’izany ny tranga tao Betafo, Antsoatany, dia ity tranga ity indray.

Hatraiza ny fetra hamelana ireo voafonja hivoaka manao ireny asa antsitra-po, na MOP “main d’oeuvre Penal”, fa ireny matetika no manita-kevitra manao ny asa ratsiny ihany, sa ve azo ivoahana sy hidirana ny fonja eto Antsirabe? Manontany tena ny rehetra fa ny fanadihadiana no hamantarana izany.

Andry N.

Lire la suite

Articles Similaires