• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

« Gare routière » Toamasina : Andian-jiolahy nanafika mpamongady, nifampititra tamin’ny pôlisy

08/11/2017 00:00 © Moov

Niverina indray ireo andian-jiolahy mpanafika tranom-barotra eto Toamasina raha somary nangingina izany tao ho ao izay.


Omaly antoandro tokony tamin’ny 11ora sy sasany fotoana fiaravan’ny mpianatra sy ny mpiasa ary maha-betsaka ny mpivezivezy eny an-dalam-be, amin’ny fotoana fikatonan’ilay tranom-barotra “friperies” ihany koa, dia notafihan’izy ireo ity mpamongady ity lamba tonta ao Bazary be Toamasina mifanila amin’ny biraon’ny vokovoko mena. Teo am-pidirana ny fiarany tsy mataho-dàlana niaraka tamin’ilay vola be tao anaty sakaosy izy no nambanan’ireo jiolahy roa tamin’ny basy PA, ny roa hafa kosa niandry teo am-pita no nandrahona ireo mpivarotra arina teo tsy hiteny sy hikiaka ary hiantso vonjy. Haingana ny fomba nangalaran’izy ireo ny vola matin’ity tranombarotra ity nandritra ny fidiran’izy ireo tao, ka lasa tamin’izany ny vola am-polony tapitrisa ariary.

Vao lasa nandositra anefa ireto andian-jiolahy efatra nanao taingin-droa tamina môtô scooter roa ireto, dia nifanehitra tamin’ny polisin’ny UIR hamonjy ny antso vonjy voarain’izy ireo teo akaikin’ny tobin-tsolika “Shell Gare Routiere” Tanambao V. Raikitra teo ny fifanenjehena teo amin’ny polisin’ny UIR sy ireto andian-jiolahy efatra nanao taingin-droa tamina moto scooter ireto, tonga hatramin’ny fifampitifirana mihintsy ny raharaha ka nahavoa teo amin’ny sandriny ny iray nitazona ny sakaosy nisy ny vola be ary nahalatsaka izany taorian’izay. Ho fiarovan-tena ireto andian-jiolahy ny arabe ihany koa feno mpianatra sy mpiasa nirava ary ireo mpandeha tonga sy hanainga amin’ny taksibrosy, ka najanon’izy ireo ny môtô scooter nentiny, ka ny fidirana nitsoaka tao anatin’ireo elakelan-trano tao Tanambao V no nataon’izy efa-dahy jiolahy ity, nitondra ny ainy tsy ho voasambotra sy tsy ho faty ary niaro mafy ny basy “PA” roa teny amin’izy ireo, izay mety basy nofaina tany ho any raha ny zava-nisy.

Niezaka ny nanara-dia ihany ny polisy ny UIR nampian’ireo fokonolona tsara sitra-po na teo aza ny tahotra izy ireo noho ny fananana basy tamin’ireto andian-jiolahy ireto, saingy tsy hita intsony ny nisy azy efa-dahy nihazo ny lalan-tany tao Tanambao V mivoaka an’Ambolomainika iny. Misokatra amin’ireo fitaovana tratra tao anatin’ireo moto scooter hita navelan’ireto andian-jiolahy ireto ny fikarohana azy ireo, ka raha ny angom-baovao fantatra aloha hatreto dia avy any Ambovombe avokoa ny fiavoan’izy ireo, ary mety iray tarika tamin’ireo teo aloha ihany.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires