• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Pesta eto Toamasina : Noravàn’ny olona ny « barrage sanitaire », voarahona ho faty ireo mpitsabo

30/10/2017 00:00 © Moov

Tsy fahita raha tsy teto Toamasina ny zava-nisy tao Antsarimasina, misy ny bazary ara-pahasalaman’ny valan’aretina pesta, ny sabotsy tokony ho tamin’ny 08ora alina teo.



Olona an-jatony nitondra antsy, hazo, ary vato, no tonga nandrava izany ka potika avokoa ny fitaovam-bahoaka nampiasaina tao. Voarahona ho faty ka niafina ireo mpitsabo mpanampy enina tao. Nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny fahasalamana teto Toamasina, ny sabotsy mihitsy no nitrangan’ity seho tao Antsarimasina Tanandava Toamasina suburbaine ity. Raha ny angom-baovao, dia ny sabotsy nisy mpamily fiara manao zotra “suburbain” mianatsimo tsy nanaiky hotiliana hafanana sy nanakorontana teo amin’ity barazy ara-pahasalamana ity. Voatery nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana teo ka nosamborina ity mpamily ity. Navotsotra ihany anefa izy raha nanaiky nanao ilay fizaham-pahasalamana, ka izy ity no nanomana paika tamin’ny hetsika rehetra nataon’ireto andian’olona ireto ny sabotsy alina, noho ny tsaho nataony fa saika nogadraina sy nangalarana taona izy tamin’ny tao fanerena azy hanao fizahana hafanana izao.

Raha ny fanazavan’ireto mpitsabo mpanampy enina mianadahy ireto, dia fotoana vitsy monja no nandravan’izy ireo ilay trano eva, sy nanapotehan’izy ireo ireo fitaovana tao anatiny nisy ny fiasan’izy ireo tao Antsarimasina ity. Voatery nanao tifi-danitra raha tsy afa-nanohitra ireto andian’olona ireto ireo mpitandro ny filaminana efatra teny, saingy mbola nanohy ny fanapotehiny sy nandoro ireo fitaovana ihany ireto andian’olona. Raha vao naharay antso ny Emmo-Reg avy hatrany dia tonga sy niezaka nanara-dia ireto andian’olona ireto, koa nandritra izany no nahasamboran’izy ireo lehilahy 11 izay tangalamena ny iray.

Tany misy lalana eto amintsika koa na teo aza ny fahatezerana noho ny tsaho dia tsy eken’ny lalana ny fanimbana fananam-bahoaka. Nandeha ny resaka teo amin’ny samy mponina ao Antananambo sy Tanandava ihany, fa noho ny fahaverezan’ny bizina fanaon’izy ireo ihany no anton’izao hetsika fanimbana fananam-bahoaka izao, saingy pitik’afo nandrehitra izany fotsiny ilay fisamborana mpamily tsy nanaiky sy nanakorontana ny barazy ara-pahasalamana tao Antsarimasina. Fantatra fa isan’ny bizina be ny mponina ireo ny resaka varotra toaka gasy, sy ny zava-mahadomelina izay isany tena mpanao izany ilay trano fandihizana ao Tanandava mifanila ilay barazy ara-pahasalamana. “Vola be” ho an’ireo mponina anefa ireo bizina ireo, ka hatramin’ny fisian’ity bazary ara-pahasalamana ity tao anatin’ny roa herinandro izay dia tapaka izany, ka ny fialany ao Antsarimasina no tena tanjon’izy ireo.

Tsy azo hajanona anefa ity barazy ao Antsarimasina ity noho ny fiarovana ny daholo be amin’ny valan’aretina pesta; koa misy ny fandraisana fepetra nataon’ny komity sy ny BNGRC namerina izany omaly tolakandro tao Antsarimasina ihany, izay voatery nohamafisina ny fiambenana ireo mpiasan’ny fahasalamana manao ny fanaraha-maso. Efa mandalo ny fakana am-bavany azy koa izy 11 lahy izay misy Tangalamena an-tanana izay tena isany nampirisika ny sakoroka ny polisy.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires