• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Fikasana hamono an-dRah-ckiky : Resaka valitafy ara-piarahamonina

25/10/2017 00:00 © Moov

Mazava ny resaka ankehitriny fa tena resaka valifaty no antony nikasana namonoana an’i Rah-Ckiky tao an-tranony tany Tsarahonenana farany teo. Nanaposaka ny marina mikasika izany mantsy ingahy isany Barivelo Romain 39 taona tena tompo-marika, sy ingahy Ravony Marcellin 25 taona namany, izay samy mpiasa posy tratra tamin’izao fikasana hamono ity mpanan-kanto ity izao.



Vaky trano. Raha ny fanazavana azo tamin’i Rah-Ckiky izay mbola mitondra ny takaitra rehetra tamin’ny zava-nanjo azy amin’ny vatany, dia talohan’ity zava-nitranga ity dia nisy namaky ny “Bungalow”-ny tao Tsarahonenana, ka very tamin’izany ireo entana rehetra tao anatiny. Taorian’ny fanadiadiana nataony dia fantatra fa ingahy Barivelo Romain no lehiben’ny andian-jiolahy namaky io “Bungalow” io. Nitory azy Rah-Ckiky ka nisy ny fampidirana am-ponja azy taorian’ny fiakarany fitsarana. Noho ireo antso vonjy nataon’ny fianakavian’ingahy Romain tamin’ity mpanan-kanto ity, resaka fitondrana posy raha teo no hamelon’ingahy Romain ny tokantranony, dia tsy nihatrika ny fitsarana ny raharaha i Rah-Ckiky ka naha-afaka azy tampi-salasalana ary nivoahany ny fonja.

Von’olona tsy tanteraka. Tsy faly tamin’ity naha-“MD” azy ity anefa ingahy Romain ka nitady ny hevitra rehetra hamonoana azy, ka izy nitranga tsy ela akory izay teto Toamasina iny. Diana sabatra am-polony no hita feno zaitra amin’ny vatan’ity mpanakanto ity, ny tanany, ny lohany ary ny hatony, satria nandritra ny ady nifanaovany ingahy Ravony Marcellin izay lavony teo ambany, dia nanararaotra nikapakapa azy tamin’ny sabatra avy ao aoriana ingahy Barivelo Romain. Tao anatin’izay anefa dia voatsoakany ny saron-tava nataon’ingahy Marcellin, izay nanamora ny fikarohana azy ireo taorian’ny fitsaboana azy teto Toamasina sy tao Antananarivo izay nifanampiany tamin’ny havany sy ny namany ary ity “samaritana” izay tsy nomeny ny anarany.

Taorian’ny fahatraran’ny FIP azy mirahalahy ireto dia ny polisy misahana ny heloka be vava eto Toamasina no nisahana ny fanadiadiana ny raharaha. “Fikasana hamono olona nomanina, sy fandratrana olona an-tsitra-po, ary fanaovana fikambanan-jiolahy” no heloka hanenjehana an’ingahy Romain sy Marcellin tamin’izao raharaha fikasana hamono an-dRah-Ckiky teto Toamasina izao. Omaly antoandro no niakatra teo anivon’ny tonia mpampanoa lalàna sy ny mpitsara mpanao famorotana ny raharaha, ka namoahan’ny fitsarana famonjana am-ponja vonjimaika, “MD”, ao Ambalatavoahangy indray ho azy mirahalahy ireto. Na mpitory aza Rah-Ckiky amin’ity raharaha ity dia manahy ny falifaty manaraka mety hanjo ny fianakaviany indray izy izao.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires