• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Ambatondrazaka : Nidina an-dalambe ny mpianatra, iray voasambotra

24/10/2017 00:00 © Moov

Mpianatra an’arivony no nitokona nidina andalambe niainga avy teny amin’ny toeram-pianarany Antsahamarova Ambatondrazaka ny marainan’ny faha 23 Oktobre 2017 nanomboka tany amin’ny 9 ora maraina tany ho any .



Nihazo ny biraon’ny talem-paritry ny fampianarana ireto mpianatra ireto no sady nitabataba ,nitsoka kiririoka ,nitondra sora-baventy « TSY MILA PROVISEUR » « AVELAO HIANATRA IZAHAY » sy ireo sorabaventy marobe .Rehefa tsy nisy nandray ireto mpianatra ireto teo amin’ny biraon’ny talem-paritra dia nihazo ny CISCO Ambatondrazaka ,ka mbola tsy nisy nandray ihany ,nihodina nihazo ny biraon’ny talem-paritry ny mponina izy ireo ka nijanona tao nitabataba sy nitoratoraka ity biraom-panjakana ity ,voatery nivoaka ny tompon’andraikitra ary nilaza fa tsy tokony hanao izao ireto mpianatra ireto ,nitohy hatrany ny toratoraka ary nanomboka nisy vato lehibe niantefa teny ambony tafo sy ny lalana ,nandray andraikitra avy hatrany ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny mponina ka mpianatra iray no tratra nitoraka ,ary voatery nosamborin’izy ireo ary dia nanarina mafy ,iretsy namany moa vao maika nitabataba , »avoahy ny namanay »,tsy naharitra ny fisamborana fa avy hatrany dia nalefa nanaraka ny namany ity mpianatra ity ,ka lasa niala teo amin’ny biraon’ny mponina ireto mpianatra mitokona ireto .

Raha tsiahivina dia olana teo amin’ny mpampianatra miaraka amin’ireo mpandraharaha tao amin’ny lycée Ranoavimanana Norbert no nitrangan’ny disadisa nohon’ny fanoloana ny proviseur ka tsy nankasitrahan’ny mpampianatra rehetra sy ny mpandraharaha ,ka nitokona ny mpampianatra ,.Vokany nanomboka ny fidiran’ny mpianatra ny faha 02 oktobre 2017 lasa teo dia mivezivezy any antsekoly foana maraina sy hariva ireto mpianatra fa tsy mbola nianatra ,sorena araka izany nympianatra ka izao niafara tamin’ny fitokonana izao ary nitabataba hoe « AVELAO HIANATRA IZAHAY » .

Marihana fa tsy nahitana mpitandro ny filaminana sy ireo tompon’andraikitra nandamina ireto mpianatra ireto fa rehefa tonga ny tamin’ny 11 ora atoandro dia samy niparitaka nody avokoa izy rehetra .Andrasana ny ho tohiny satria araka ny loharanom-baovao dia nisy ny fivoriana niarahan’ny mpampianatra sy ny tompon’andraikitry ny fampianarana ny marainan’ny faha 23 oktobre 2017 handinihana ny olana

Janus R

Lire la suite

Articles Similaires