• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Toamasina : Frantsay voan’ny pesta nitsoaka hopitaly, maty

23/10/2017 00:00 © Moov

Tsy ny Malagasy matahotra ny ho very faty ihany no mitsoaka ny fitsaboana azy amin’ity resaka pesta eto Toamasina ity, fa hatramin’ny teratany vahiny mahalala tsara ny voka-dratsiny ihany koa; nefa izy ireny indrindra no tena loza mitatao amin’ny ady atao amin’ny pesta ankehitriny.



Frantsay 40 taona. Tamin’iny herinandro iny, dia nisy teratany frantsay antsoina hoe P.R, 40 taona, hita miabo tamin’ny fitiliana ny pesta natao taminy. Raha tsy maintsy nampidirina hopitaly teto Toamasina anefa izy ny alatsinainy lasa teo, dia teny ratsy sy vavabe ary ompa maro no nataony ireo mpitsabo nitsabo azy, ka nitarika azy nitsoaka ny hopitaly. Ny zoma tamin’ny 02ora maraina anefa dia nihombo be ny pesta nahazo azy izay efa nahatonga azy nandoa rà sy tsy nahatsiaro tena intsony. Nanao ny ezaka rehetra nanavotana ny ainy ny mpitsabon’ny vonjy taitran’ ny hopitaly be, nefa ny sabotsy maraina teo dia tsy tana ny ainy ka natao ny fepetra mifanaraka amin’ireo matin’ny pesta ny fandevenana azy tao amin’ny fasana Manangareza.

Trano fisakafoana. Raha ny angom-baovao natao, dia tompona trano fisakafoana sy fisotroana iray ao Ampanalana Toamasina ity teratany frantsay ity izay iarahany amin’ny vadiny teratany malagasy. Mpampiasa olona 64 eo anefa izy ireo misahana ity trano fisakafoana sy fisotroana ity, teo koa ireo mpanjifan’izy ireo nandritra iny herinandro talohan’ny nahafatesany, ny sabotsy teo ity, dia ao anatin’ny loza mitatao avokoa. Ny vadiny sy ireo mpiasa ary ireo namany nifanosina taminy aloha dia efa nezahan’ny komitin’ny pesta nomena ny fanafody avokoa, torak’izany koa ny famendrahana fanafody; ireo mpanjifan’izy ireo izao no olana ny fikarohana azy ireo, satria mitatao amin’izy ireo ny pesta izay anaovan’ny komity antso avo.

Safidy roa ihany. Tonga eto Toamasina nanomboka ny sabotsy teo ihany koa ny tale mpanatanteraky ny Birao fitantanana ny loza sy ny loza voajanahary Atoa Venty Thierry, izay nilaza mazava fa safidy roa ihany no azon’ny olona tsirairay atao raha sendra mitondra sy voa ary mararin’ny pesta, dia “mitsabo tena dia sitrana” sy ny “mitsoaka hopitaly sy mijanonana an-trano dia maty”; satria nomarihany fa “tsy miy olona afaka miaina miaraka amin’ny pesta izany”. Nisy noho izany ny fihaonana niarahany tamin’ireo komitin’ny pesta eto Toamasina sy ireo mpitandro ny filaminana, satria atahorana hirongatra ny aretina pesta taorian’iny tsaho niely teto Toamasina iny, ka nampitsaharan’ireo mpitsabo ny fitsaboana ireo havan’ny marary any an-tranony

Noho ity tranga niseho teto Toamasina nahafaty ity tera-tany frantsay 40 taona tsy nanaiky ny fitsaboana azy ity, dia misedra olana ny fizahantany izao. Araka ny vaovao nangonina dia hanafoana ny diany roa voalohany hihazo an’i Toamasina manomboka ny 7 novambra izao ny sambo Costa, fa hamindra izany ho any amin’ny Comores sy Mayottes aloha. Ho hita eo ny ho tohiny…

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires