• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Mpiandry fonja sy Zandary : Mifanakiana ny tompon’andraikitry ny serasera

20/10/2017 00:00 © Moov

Jiolahy izay voasambotry ny zandary noho ny fanafihana mitam-piadiana ary nolazainy fa mpiandry fonja, no namalian’ny mpandraharahan’ny fonja azy ireo, omaly. « Mpiana-draharaha ho mpiandry fonja ilay olona. Fanin’efany izy no efa voarohirohy tamin’ny raharaha maloto ary efa ela no nesorina tsy manao ny asany intsony.


Handalo ny filan-kevitry ny fitsipi-pifehezana izy ato ho ato ary mety ho tonga amin’ny fandroahana izany » raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny ministeran’ny fitsarana, Napou Jérémie. Mbola notohizany ny fanakianana ny zandary tamin’ny hoe tsy ampy ny fanamarinam-baovao izay nataon’izy ireo. « Tsy mpiandry fonja velively fa mpiana-draharaha ho mpiandry fonja » hoy ihany io tompon’andraikitra io. Io farany izay nanohy fa efa nianatr’asa teny Tsiafahy tokoa ilay olona, saingy najanona tamin’izany (nafindra toerana) rehefa voasaringotra tamin’ny asa fisolokiana ny taona 2013. Tokony hanatona anay ary manamarina ny zava-misy aloha ny zandary izay vao mamoaka vaovao toy ireny, raha ny hevitr’i Napou Jérémie.

Omaly ihany dia nezahina nalaina ny fijerin’ny zandarimaria manoloana izany fanakianana izany, avy amin’ny tompon’andraikitry ny seraserany, ny komandà Herilalatiana. « Voalohany, nilaza izy ireo fa mpiana-draharaha izay nafindra toerana ilay voakasika. Faharoa, io farany dia nolazaina fa mbola miandry Codis. Ny fandraisanay izany dia mbola mpiandry fonja hatrany io olona io ary mainka aza manamafy ny fahamarinan’ny vaovao navoakanay iny fanazavana omaly iny » raha ny fijerin’ny mpitondra tenin’ny zandarimaria ny raharaha. Momba ny gadra izay voasambotra nanafika tany Vatomandry indray, na mifanipy baolina aza ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fonja, aminay dia gadra hatrany no azonay raha saika hanao heloka bevava, ary tokony ho tompon’andraikitra izay mety nahatonga ny fivoahany, hoy ihany ny loharanom-baovao mitovy.

Efa hatramin’ny nahavakian’ny fonjan’i Tsiafahy farany teo, izay mbola tsy nisy hita ireo tafatsoaka, no hita fa nangatsiaka ny fifandraisana teo amin’ny roa tonta. Tamin’io mantsy, dia efa nokianin’ny zandary ny mpiandry fonja ny amin’ny tsy fanomezana vaovao ara-potoana azy ireo. Teo koa dia efa nanamarin-tena ny mpiandry fonja, fa nampandre ny zandary izay voaantsony. Amin’ny lafiny iray dia mety hanatsara zavatra ihany ny fifanakianana toy izany, satria ny fitadiavam-bahaolana amin’ny ady amin’ny jiolahy no tanjona. Na izany aza anefa, tsy tokony asam-panjakana mandeha hoazy ve ny fifanomezam-baovao eo amin’izy ireo? Izao hita mivandravandra fa vaky koa ny ady mangatsiaka…

D.R

Lire la suite

Articles Similaires