• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Fanandrana – Toamasina II

20/10/2017 00:00 © Moov

Sinoa teratany Malagasy voaenjika ho maka an-keriny tanin’olona. Zary olana lehibe mety hiteraka fanavakavahana eo amin’ny samy teratany Malagasy ny fananan-tany ao Toamasina ao.



Toa manaporofo izany ity tranga ao amin’ny tanàna atao hoe Ambalanahoby, fokontany Antananambo, kaominina Fanandrana ity. Sinoa mizaka ny zom-pirenena Malagasy, ary efa nonina teto hatramin’ny razambeny no mitaraina fa iharan’ny antsojay ka tadiavina halaina hatramin’ny taniny. Ity farany, izay nambarany fa misoratra aminy ara-dalàna, ary zony rahateo ny manana tany eto Madagasikara noho izy teratany Malagasy. Nohamarinin’ny ben’ny tanàna ao Fanandrana izany ka nilazany fa hatramin’izay io tany io no efa sinoa teratany Malagasy no tompony. Noho io antony io, izay efa fantatry ny manam-pahefana rehetra any an-toerana, dia milaza ho miaro io Sinoa io ny ben’ny tanàna. Izany no mahatonga ireo mikasa ny hanilika ilay sinoa hilaza fa misy mpitondra fanjakana mitsikombakomba aminy.

Manoloana izany dia mitondra fanazavana ilay sinoa fa tamin’ny fomba madio no nahazoany ity tany izay mitondra ny anarana « Bonheur 4 » ary mirefy 105ha ao Antananambo ity, izay nambarany fa efa olona faharoa nividy io tany io ny tenany. Tany am-piandohana dia sinoa iray no nivarotra io tamina sinoa iray hafa, tamin’ny taona 1987. Nogiazan’ny BTM tamin’izany fotoana izany anefa ilay tany, rehefa tsy nahaloa trosa tamin’io banky io ilay tompony. Namidin’ny BTM tamin’ity tompony ankehitriny ilay tany ka tamin’ny taona 2002 dia vitra baorina sy «titre » tamin’ity farany izany. Nitranga anefa izao olana izao, hoy hatrany ny fanazavana, rehefa nisy olona mikasa hikitika ny ampahany amin’ny tany mifanila amin’io tany io antsoina hoe « Bonheur 2 ».

Efa niakatra Fitsarana ny raharaha ka nahazo rariny hatrany ity sinoa ity noho ireo miady aminy tsy manana taratasy ara-dalàna. Nambarany, fa nihamafy ny fanenjehana azy rehefa nisy olona iray nampidirina am-ponja, satria nanapotika ny fefy sy ny voly izay nataony teo amin’ilay tany. Tsy maintsy namefy io tany io izy raha ny fanazavany, mba hiarovany ny fananany. Ity farany izay nambarany fa novidiny mba hanaovany fambolena voly fanondrana. Manoloana izany, manahy mafy amin’izao toe-draharaha izao ny tenany ka miangavy ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany mba hijery akaiky izao raharaha izao.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires