• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Pesta eto Toamasina : Andian’olona manery ny mponina hanao vaksiny

20/10/2017 00:00 © Moov

Hatramin’ny ny alarobia tolakandro, nitohy omaly maraina dia tsy nisy vaovao heno afa-tsy izany andian’olona miaraka amina miaramila miditra an-tokantran’olona, sy manery olona tsy maintsy hanao vaksiny ny zanany no heno teto Toamasina.



Raha nanontany ny ekipan’ny komity misahana ny pesta tarihin’Atoa Benandrasana Cyrille, prefen’i Toamasina, sy ny ekipan’ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana ny mpanao gazety, dia tsotra ny navalin’izy ireo, fa tsy naniraka olona mampanao vaksiny ny pesta izany izy ireo sy ireo mpiara-miombona antoka mifanohana aminy. Tsy mbola misy vaksiny miaro amin’ny pesta ihany koa eto amintsika, ka tsy misy hetsika manokana mikasika izany vaksiny miaro amin’ny pesta ihany koa atao eto Toamasina. Ho an’ireo mponina tao Depot Analakininina anefa, dia nisy mihitsy ankizilahy kely tany an-toerana no torana naharitra noho ity voalaza fa vaksiny amin’ny pesta natao taminy ity. Misy milaza fa nisy ihany koa ny ankizy maty tao Anjoma Ambalambe, saingy tsy voaporofo ny fisiany hatreto.

Izay no namoahana ilay laharana maitso mikasika ny pesta androany teto Toamasina, ka misy dimy izay samy mitondra ny laharana 905 avokoa izy rehetra. Vokatr’ io andian’olona voalaza fa mitety fokontany sy miditra an-tokantranon’olona eto Toamasina io, dia maro ireo fianakaviana nanidy ny zanany an-trano ka tsy nahitana ankizy nilalao mihitsy ireo lalam-pasika maro teto Toamasina omaly, teo koa ireo namindra toerana azy ireny, ary tao mihitsy ireo fokontany nanao fiambenana raha sendra ireto andian’olona miaraka amina miaramila mitondra basy mitety fokontany izao ity.

Noho izany dia nandray fepetra nandefa mpitandro filaminana nitety fokontany maro ny prefen’i Toamasina nijery sy nanao fanadihadiana ny zava-nisy, saingy raha ny filazana nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly tolakandro teo anoloan’ny lapan’ny Faritra Atsinanana, dia tsy nisy olona na iray aza sahy nijoro ho vavolombelona tamin’ny fisian’ireo andian’olona voalaza ho mpanao vaksiny mitondra mpitandro ny filaminana ireto, ka mampitandrina ireo mpanely tsaho ny Emmo-Reg. Ankoatra izay, dia tsy teto Toamasina renivohitra ihany no nitrangan’ity na resabe ity fa tonga hatrany Brickaville ihany koa, ka voatery nakaton’ny Cisco avokoa ny sekoly tany an-toerana omaly noho ny tahotry ny ray aman-dreny. Torak’ izany koa ny tao Toamasina II sy ny Toamasina Suburbaine; izay samy nanidy ny zanany an-trano avokoa ireo ray aman-dreny rehetra.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires