• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Toamasina : Nifampisitoman’ny Bmh sy ny fianakaviana ilay tovolahy matin’ny pesta

12/10/2017 00:00 © Moov

Efa tafiditra ao anatin’ny sain’ny olona maro ny valan’aretina pesta ity ho raharaha politika; ny tsaho amin’ny tsy fisiany fa sinemam-panjakana ampitahorana vahoaka manginy fotsiny.



Vokany maro ireo manaraka ity tsaho ity ka lasa loza mitatao amin’ny fifehezana ny pesta izany. “Mila manaraka ny fandaminana ny rehetra isika. Marina fa mafy izany havana tsy tonga am-pasan-drazana izany, nefa ny tombontsoam-pahasalaman’ny daholo be no tokony mibaiko ny rehetra”, hoy ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille. Ny talata alina teo tao Tanambao V dia raikitra indray ny sakoroka teo amin’ireo ekipan’ny “BMH” sy ny fianakavian’ity matin’ny pesta ity. Nifampisintonan’ny roa tonta mihintsy ilay faty, nefa be noho vitsy ny “BMH” ka niala maina tsy afaka nisahana ity tovolahy matin’ny pesta. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana nandamina ny raharaha ka tamin’ny 01ora maraina omaly taorian’ny disadisa dia voatery nampiasa hery ny mpitandro ny filaminana, ka voalevina ara-pahasalamana ihany ilay tovolahy matin’ny pesta tao Tanambao V ity. Raha ny fanazavana dia efa narary tao an-traniny izy saingy tsy nanantona toeram-pitsaboana mihintsy noho ny tahotra, efa nisy fotoana aza nando ra saingy mbola nafenin’ireo havany hatrany dia izao no vokany nefa aretina azo sitranina tsara ny pesta misy. Mbola nitohy omaly maraina teny amin’ny toeram-pandevenan’ny Manangareza ny sakoroka teo amin’ny fianakavian’ilay tovolahy matin’ny pesta sy ny mpitandro ny filaminana, satria nikasa ny hangalatra antsokosoko ny fatin’ny havany izy ireo. Nisy ny fifandresen-dahatra teo amin’ny roa tonta noho maha-heloka be vava ny halatra faty, ka nanaiky ihany ireto fianakaviana ireto. Raha ny angom-baovao ny talata hatrany dia tsy ity tao Tanambao V ity ihany ny olona matin’ny pesta, fa nisy iray hafa ihany koa tany Tanandava Toamasina suburbaine. Tsy nisy ny fianakaviany fa avy hatrany dia nankinina ny faty tamin’ny “BMH” ny fikarakarana sy ny fandevenana azy, saingy nilaza ny mba hanorona ny toerana handevenana azy kosa mba tsy ho “very faty” ilay maty. Marary tokony ho sitrana anefa ity maty tao Tanandava ity, saingy nandritra ny fitsaboana azy dia nitsoaka ny hopitaly ny tenany. Ankehitriny dia ifampitadiavana ilay “Tuc-Tuc” nitondra azy, sy ireo mety ho tafara-dia taminy nandritra ny fitsoahany tao amin’ny toeram-pitsaboana azy io. “Tsy ho resin’ny pesta izany isika”, hoy ny komity eto Toamasina. Efa milaza ny zava-misy ny fahasahian’ny olona manao fitiliana sy manantona toeram-pitsaboana. Ny alatsinainy teo fotsiny dia nahatratra 14 ireo olona mararin’ny tonga nahatsapa-tena mitsabo tena ao amin’ny toeram-pitsaboana manokana; nisy 16 ihany koa sitrana ara-dalana nivoaka ny toeram-pitsaboana…

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires