• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Pesta eto Toamasina : Tafakatra 12 ireo olona voan’ny pesta ao Fenerivo Atsinanana

10/10/2017 00:00 © Moov

Nijery ifotony ny zava-misy tao Fenerivo atsinanana ny minisitra Ndahimananjara Johannita ny alahady teo.



Nandritra izany no nahalalana fa tao anatin’ny roa andro nisin’nyy tranga voalohany tany an-toerana ny alakamisy teo, dia efa tafakatra 12 ireo miabo tamin’ny fitiliana natao ka miisa roa ireo efa marary. Mizara roa ny trangana pesta miseho ao Fenerivo atsinanana, amin’ireo olona 12 mitondra ny tsimokaretina dia miisa 09 ireo voan’ny “pesta amin’ny tratra”. 03 kosa ireo tratran’ny “pesta atoditarimo”. Samy efa mahazo ny fitsaboana azy avokoa ireto olona 12 ireto izao. Noho io valan’aretina pesta eo Fenerivo atsinanana io dia nandray fepetra ny prefen’i Fenerivo atsinanana sy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo ary ny ben’ny tanana any an-toerana, ka nametraka nanomboka ny sabotsy teo barazy ara-pahasalamana ao Sahorana, entina manara-maso ireo mety mitondra ny pesta miditra na mivoaka ny kaominina. Misy ny fizaham-pahasalamana ireo mpampiasa ny lalana, eo koa ny fandraharahana fanafody ireo fiara. Manomboka amin’ny 06 ora maraina hatramin’ny 09 ora alina ny fanaraha-maso, fa aorian’izany dia miato izany ka tsy afaka miditra ny tanana ny fiara sy ny mpandeha amin’ny 09 ora alina hatramin’ny 06 ora maraina. Ho an’i Toamasina I kosa dia manomboka resy tosika ny valan’aretina, araka ny voalazan’ny filohan’ny komity ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, sy ny fanazavan’ny Dr Ramialisoa Norovoahangy. Mahatsapa mantsy izy ireo fa manomboka tsy matahotra manatona tobim-pahasalamana ireo miahiahy mitondra ny tsimok’aretina pesta sy ireo marary, ka antony iray nahatonga ny fahamaroan’ny voatily mialoha miisa 107 tamin’ireo 215 nanao izany. Miisa 14 koa ireo efa sitrana ara-dalana raha notsaboina nandritra ny 08 andro. Na izany aza dia nisy 03 maty koa ny zoma sy ny sabotsy teo tao amin’ny hopitaly manara-penitra Morafeno noho tsy fananan’izy ireo mpitsabo manokana mikasika ny aretin-tratra, ka nahatonga ny minisitera nandefa mpitsabo fanampiny hanampy azy ireo sy ny sampana mpitsabo ny pesta any amin’ny hopitaly be. Ankoatra izany, dia nomarihan’ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Talata Michel, fa miankina amin’ny fivoaran’ny valan’aretina ny fepetra horaisina mikasika ny “fetin’ny maty”, fety isan’ny manan-danja ho an’ny Betsimisaraka. “Mila fiaraha-miasa amin’ny olon-drehetra, noho izany, ny fepetra horaisina”, hoy hatrany ny lehiben’ny faritra, satria ny fahasalamam-bahoaka no zava-dehibe noho ny fikirakirana fasana sy faty isan’ny tena antony lehibe mamindra ny pesta haingana…

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires