• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Tsiafahy Vaky : Wanted izy dimy lahy, mpanafika sy mpamono olona

10/10/2017 00:00 © Moov

Mbola tadiavina ireo gadra dimy lahy tafatsoaka tamin'ny fonjan'i Tsiafahy.



Ireto avy ny anaran’ireo gadra tafatsoaka tamin’ny fahavakisan’ny fonjaben’ny Tsiafahy ny alin’ny asabotsy teo : Razafintsalama Soloniaina, teraka ny 28 marsa 1989 tao Ambohibary Manjakandriana – Randriamalala Tokifeno Setra, teraka ny 29 septambra 1992 tao Ankorondrano – Randriamparany David Rolland, teraka ny 2 desambra 1992 tao Befelatanana mipetraka eny Anosipatrana – Rajoelina Christian, teraka ny 20 marsa 1986 tao Analamahitsy ary monina ao Manjakaray, ary Randriamanana dit Ratelo, teraka ny 15 desambra 1992. Fanafihana mitam-piadiana sy vonoan’olona no antony nidiran’ireo efatra voalohany am-ponja raha vonoan’olona kosa ny an-dRatelo. « Grand criminel » na koa mpanao heloka bevava ikoizana no nanasokajiana ireo dimy lahy tafatsoaka ireo. Nandavaka dimy metatra ambanin’ny tany izy ireo ary avy eo nitohy nahitsy mandra-pivoakan’ny faritry ny fonja. Toa ireny amin’ny horonan-tsary ireny mihitsy ny fomba nentin’ireo jiolahy nandrafitra ny fitsoahany. Ny tena nanamora an’izany dia ny fisian’ny iray amin’izy ireo, Ratelo, izay nisy fotoana mpitrandraka safira tany Ilakaka no asany. Izy no tena tompon’ny atidoha tamin’ny fandavahana ny trano. Mazava ho azy fa tsy maintsy nanamarin-tena ny fandraharaha ny fonja manoloana ny zava-nitranga. Toy ny hoe adiny telo ihany no misy herinanaratra, isaky ny alina, ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny fitsarana. Ny teo anivon’ny zandary, ny tompon’andraikitry ny serasera, dia tsy nanafina mihitsy ny fisian’ny tandrevaka avy amin’ny mpiandry fonja rehefa misy ny fahavakisa toy izao. Nohazavainy mazava fa « efa tamin’ny 11 ora alina, ny asabotsy, no vaky ny fonja kanefa amin’ny enina ora maraina vao nampandrenesina ny zandarin’Ambatofotsy…nahoana no Ambatofotsy ihany kanefa feno paositry ny zandary eo amin’ny manodidina an’i Tsiafahy… omaly (alatsinainy) maraina vao nampitaina taminay zandary ny anarana ary ny tokalandro (4ora sy sasany) vao tonga ny sarin’ireo olon-dratsy. ». Ary mba ahoana ny fomba nahatafidiran’ny fitaovana fangadiana tany tao anaty fonja ? Asa raha mba nisy fanadihadiana anatiny nisokatra ary hatao ampahibemaso ny valiny, satria manohina ny filaminam-bahoaka ny fisian’izany fonja vaky izany, indrindra fa fonja fitazomana mpanao heloka bevava.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires