• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Valan’aterina pesta eto Toamasina : Nifanehitra teny am-pandrarahana fanafody ny “Mapar” sy ny “Hvm”

09/10/2017 00:00 © Moov

Ny faran’ny herinandro teo no samy nampiseho ny fanakaikezana ny vahoaka ny antoko mpiara-dia teo aloha, saingy nosarahan’ny politika, dia ny “Mapar” sy ny “Hvm” teto Toamasina.

Nifanehitra teny an-kianja tamin’ny fitetezana fokontany tamin’ny fandrarahana fanafody ho fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina pesta eto Toamasina noho izany izy roa tonta.

Ny ekipan’ny “Mapar” izay notarihan’ny filoham-paritanin’izy ireo, ny solombavambahoaka Naharimamy Irma Lucien. Ho azy ireto dia ny tsena goavana izay tena misy ny fivezivezen’ny olona sy ireo fokontany efa nahitana ny olona maty sy mitondra ny soritr’aretina teto Toamasina, no nanaovan’izy ireo izany fanafody famonoana otrik’aretina izany. Isan’izany ny tsenan’Ankirihiry, Ambolomadinika, ary Valpinson. “Mitovy ny malagasy rehetra manerana ny Nosy amin’ny Mapar, ka taorian’ny fandrarahana fanafody natao tao Antananarivo dia anjaran’i Toamasina indray izao araka ny baikon’ny filoha Rajoelina Andry” hoy ny depiote Rtoa Naharimamy Irma Lucien.

Tao anatin’izay ihany koa anefa dia nanao hetsika fanadiovana tanana sy fandrarahana fanafody ny tanana araka ny fandaharan’asany koa ny antokon’ny fitondrana, dia ny “Hvm” izany. Nanomboka tao Tanambao Verrerie, Ambalakisoa, Tanambao V, Tanamakoa, ary Stadium no nodiovina sy nandrarahana fanafody. Fiaraha-miasa tamin’ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ireo fitaovan’ny BNGRC nomena hotantanan’ny faritra sy ny prefektiora no netina niasa nandritra izany, izay notarihan’ny minisitra Ndahimananjara Johannita Benedicte sy ny lahiben’ny faritra Talata Michel, ary ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille izay nandeha solontenan’ ny asa rehetra.

Nandritra ity asa fanadiovana faobe ity, dia nanolotra ny fanampiany ireo fikamban’ny tera-tany sinoa monina sy miasa eto Toamasina. Nisy ireo fitaovana samihafa ho fanadiovana tanana mitentina 10 tapitrisa ariary, sy vola 02 tapitrisa ariary ho an’ny mpanao asa tana-maro. Ankoatra izay, dia nisy koa ny fanolorana vary 15 gony sy kojakojan-dakozia ho an’ireo may trano noho ny fandorana emboka fiarovana amin’ny pesta, tao Tanamakoa ka naha-traboina fianakaviana enina…

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires