• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Toamasina : Voasambotra ireo fianakaviana nangalatra faty matin’ny pesta

09/10/2017 00:00 © Moov

Isany niteraka resa-be teto Toamasina, ny famakiana fasana nitranga tao amin’ny toeram-pandevenan’i Manangareza, izay nisiana fangalarana ny razana matin’ny pesta teto Toamasina ho entina an-tanindrazana mba tsy ho “very faty an-tanin’olona” araka ny fiheveran’ireo havany.



Vohiteza. Taorian’ny fahafantaran’ny komity misahana ny fanaraha-maso ny valan’aretina pesta eto Toamasina fa nisy namaky ilay fasana manokana nandevenana ity olona iray matin’ny pesta nalevina tao Manangareza ity, dia nanomboka ny fanadihadiana araka ny baikon’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille mpitarika ny komity. Ny faran’ny herinandro teo raha nahazo vaovao ny zandary fa misy fianakaviana manao fandevenana tsy mazava tao Vohiteza kaominin’Amboditandroroho Toamasina II, avy hatrany dia tonga tany an-toerana nanao ny fanadihadiana rehetra sy nanao ny fisamborana ihany koa ny ekipan’ny zandary Toamasina.

Olona 50. Ny zoma teo no nentina teto Toamasina renivohitra miatrika ny fitsaboana azy, sy hanaovana ny fakana am-bavany ireto mpamaky fasana nangalatra razana matin’ny pesta ireto; izay tsy maintsy nentina lakana satria izay ihany no fomba fitaterana mandeha amin’ity kaominina Amboditandroroho ity. Fianakaviana iray ahitana olona 50 ireto voasambotra ireo, ka teo am-pahatongavana tao amin’ny “Port Fluvial” Manangeraza izy ireo, dia efa nisy ny fandraisana an-tanana nataon’ny komity tamin’ny fanomezana fanafody azy ireo izay nalefa nody taorian’izay ary nitohy ny sabotsy hatramin’izao ny fanaraha-maso sy fitsaboana ireto fianakaviana ireto.

Heloka be vava. “Ny tranga toy izao halatra razana matin’ny pesta toy izao no tena miteraka loza mitatao amin’ny fahasalamam-bahoaka amin’ity valan’aretina pesta ity. Ankoatra ny parasim-boalavo sy ny piti-droran’ny olona marary, dia ny fikirakirana ny olona matin’ny pesta tsy misy fiarovana no tena manamora ny fifindrany sy ny fiparitahan’ny pesta”, hoy ny komity misahana ny valan’aretina pesta eto Toamasina. Midika izany, fa heloka be vava ny vitan’ireto fianakaviana ireto izay tsy maintsy hizaka ny fandikan-dalana nataony, mikasika “ny halatra faty”, “famakiana fasana”, ary “manaparitaka areti-mandoza” izay loza mitatao amin’ny vahoaka.

Ankoatra izany dia manao antso avo ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Talata Michel sy ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, fa tokony samy hanaiky ny fandaminana ny rehetra amin’izao valan’aretina pesta izao. Ny tsy fitandreman’ny tsirairay sy ny hambom-po diso toerana ataon’ny fianakaviana iray dia ahiana hiteraka loza goavana tsy ho voafehy ho an’ny Malagasy…

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires