• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Mananjary : Nidoboka am-ponja Raleva, mpikamban’ny « société civile »

05/10/2017 00:00 © Moov

Omaly no natolotra ny fampanoavana izy noho ny vesatra izay tsy fantatra mazava ary nidoboka am-ponja.



Raleva, raha hiverenana kely dia mpikamban’ny firaisamonim-pirenena « Justice et Paix » ary nanara-maso akaiky ny fisian’ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ao Vohilava sy Ambaladara, ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Efa tamin’ny volana oktobra 2016 no nisintona ny lakolosy fanairana ny firaisamonim-pirenena maro momba ny fisian’ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa ao amin’ny toerana voalaza. Ankoatra ny fahasimban’ny tontolo iainana vokatr’izany mantsy, dia notsipihan’ny firaisamonim-pirenena koa fa atahorana hitondra voka-dratsy ho an’ny fahasalaman’ny mponina manodidina io fitrandrahana io, noho ny fikirakirana merkiora ataon’ireo Sinoa. Tonga tany amin’ny fitondrana tokoa ny hafatra ary nisy ny fandraisana andraikitra natao dia ny fanajanonana avy hatrany ilay fitrandrahana. Indrisy anefa fa tsy naharitra ela izany, satria na dia teo aza ny fandraràna ilay orinasa voakasika dia niverina tao an-toerana indray izy ary nanohy ny firandrahana volamena. Izany dia volana vitsivitsy monja taty aorian’ny fanesorana azy teo an-toerana. Nanomboka ny volana septambra teo indray no niverina nanisy resaka ny firaisamonim-pirenena ary isan’ny nitsangana Raleva, izay nitady ny taratasim-panjakana misy ny fahazoan-dàlana ho an’ilay orinasa sinoa. Tsy ela ny valin-kafatra, satria ny alin’iny ihany izy dia nisy naka tao an-tranony ary nentina tany amin’ny toerana tsy fantatra. Dimy andro izy no notazomina ary omaly no natolotra ny fampanoavana, ary dia nidoboka am-ponja avy hatrany, araka ny voalaza tetsy ambony. Tsy izy ihany, raha araka ny fanazavan’ny firaisamonim-pirenena, no tratran’ny ramatahora fa mbola misy olona hafa maromaro. Manameloka ny fisamborana izy ireo ary mangataka ny hamoahana tsy misy hataka andro an-dRaleva mba hahafahany manohy ny fiarovana ny zon’olombelona. Endrika ratsy ho an’ny tany demokratika ny fanagadràna ny mpanara-maso ny tsy mety, indrindra koa mpikamban’ny firaisamonim-pirenena. Lasa misesy anefa izany tao anatin’ny taona vitsivitsy. Raha tsy hilaza afa-tsy ny raharaha Clovis Razafimalala, farany teo.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires