• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Fitokonan’ny mpianatr’i Barikadimy : Miaramila efatra naratran’ny tora-bato, raikitra ny doro kodiarana

05/10/2017 00:00 © Moov

Nilamindamina ny toe-draharaha teny amin’ny oniversiten’i Toamasina, ao Barikadimy, omaly



Izany dia vokatry ny fisamboran’ny mpitandro ny filaminana mitambatra ireo mpianatra 09 mpitarika ny fitokonana, saingy tsy maintsy navotsotra taorian’izay noho baiko nidina. Nandritra izany anefa dia miaramila 04 nanao fitandroana ny filaminana tao Barikabimy no naratran’ny tora-bato, kodiarana maromaro no nodoran’ny mpianatra ary teo koa ny fandoran’izy ireo hazo fanamboaran-trano ao Barikadimy izay saika niteraka fahamaizan’ny “CONACO”. Tao anatin’izay rehetra izay anefa dia nitohy omaly tao amin’ny efitrano malalaky ny faritra atsinanana ny fivoriana, niarahan’ny prezidansan’ny oniversiten’i Toamasina, ireo mpitandro ny filaminana mitambatra, ireo lehiben’ny sampam-pitsarana eto Toamasina, ireo tompon’andraiki-panjakana, ary ireo solontenan’ny mpianatra, nosoloin’ireo filohan’ny fikambanan-drazana isam-paritra eo anivon’ny oniversite. Tamin’izay no nandinihana ny famahana ny olana misy sy ny fandraisana fanapahan-kevitra miaraka mikasika ity fitokonan’ny mpianatr’i Barikadimy ity. Tsy miova ny fitakian’ireo mpianatra dia ny fanomezana vatsim-pianarana sy ny fampitaovana ireo mbola tsy nahazo izany nefa nahavita ny antontan-taratasy ara-dalana sy ara-potoana, ny fizarana amin’izay ny trano natokana ho azy ireo eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina. Ho an’ny prezidansy ny oniversite izay nanazava ny zava-misy, dia handefitra ny onivetsite ka misy manodidina ny 400 amin’ireo mpianatra ambara fa miisa 2.600 tsy nahazo ilay vatsim-pianarana no hahazo izany, saingy mbola mandamina izany izy ireo. Ny trano kosa dia eo amin’ny resaka herinaratra no olana goavana, satria tsy mahazaka ny fitaovana hampiasain’ny mpianatra hahazo trano ny tanjaky ny herinaratra misy. Mbola mila vola am-polony miliara ariary anefa ny fividianana ny fitaovana hanamafisana izany tanjaky ny herinaratra izany, saingy tsy manana an’izany izy ireo ankehitriny. Taorian’ity fihaonana tao amin’ny efitrano malalaky ny faritra atsinanana ity, dia anjaran’ireo filohan’ny fikambanan-drazan’ny mpianatra ny mampita ny vaovao “marina” amin’ny namany. Andraikitry ny mpitandro ny filaminana ny miaro ny fananam-bahoaka sy mametraka filaminana ao Barikadimy. Anjaran’ny fitsarana sy ny solontenam-panjakana ny mampihatra ny lalàna amin’ireo mihoa-pefy rehetra. Ary andraikitry ny oniversite ny manatanteraka ny toky nataony sy manafaingana ny asa anjarany rehetra mba ho tombontsoan’ny mpianatra ao aminy…

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires