• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Pesta eto Toamasina : Norotahin’ny olona ny hôpitaly hakany ny havany maty

28/09/2017 13:29 © Moov

Mbola misy ary mbola mahafaty olona tato ho ato izay ny pesta amin’ny tratra eto Toamasina.

Taorian’ireo vehivavy roa maty ny faran’ny herinandro teo, dia fantatra indray izao fa nisy vehivavy antitra manodidina ny 65 taona teo indray maty ny talata teo. Avy any Ampasimana Maningory ny fiaviany, saingy ao La Poudrette Ambolomadinika ny fokontany nipetrahany. Raha ny fanazavana azo dia efa narary mafy ity vehivavy antitra ity vao nampidirina hopitaly tao amin’ny hopitaly manara-penitra Morafeno Toamasina, ny talata maraina. Nandritra ny fizahana natao azy no nahalalan’ny mpitsabo fa pesta amin’ny tratra no nahazo azy, saingy efa tsy tana intsony ny ainy ny talata tolakandro. Avy hatrany dia nohidiana tsy nisy nahazo nikitika ny efitrano sy ilay razana ary ny fianakavin’ny maty, saingy tsy nanaiky izany ireto farany fa nitaky sy nikasa ny hanao amboletra haka ny fatin’ny havany hatrany ny talata hariva io. Nandritra izany dia efa nanomana ny handevina ilay maty ireo mpitsabo ho fisorohana ny fiparitahan’ny aretina, saingy efa alina ny andro. Omaly alarobia kosa dia mbola tonga nikasa haka ny fatin’ny havany niaraka tamin’ny vatampaty ireo fianakaviany ka nanomboka nitangorona teo amin’ny hopitaly manara-penitra Morafeno. Voatery naka mpitandro ny filaminana niaro azy ny hopitaly; sy niaro ihany koa ilay efitrano nohidiana noho mba tsy hiparitahan’ilay pesta amin’ny tratra amin’ny marary mitsabo tena tao sy ireo mpamangy ny havany marary ihany koa. Tsy faly tamin’izany ireto fianakaviana ireto ka nikasa ny hanakorontana, ka voatery nandray andraikitra maika nandevina ilay maty ny mpitsabo hiarovana ny fahasalamam-bahoaka amin’ ity pesta amin’ny tratra ity. Hatreto anefa dia mbola tsy faly amin’ny tsy fanomezana ny havany nalevina ireto fianakaviana ireto, ary nilaza fa tsy pesta izany no nanjo ny havan’izy ireo, na efa nanamafy aza ireo mpitsabo fa pesta amin’ny tratra no nahafaty azy. Nafenina mafy ny toerana nandevenana ity maty ity hisorohana ny mety hakan’ny havany azy antsokosoko ka hampitatao loza ny vahoaka amin’ny aretina indray…

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires