• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Toamasina : Mpanendaka 16 voasambotra, roa maty voatifitra

19/09/2017 05:50 © Moov

Manenjana amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka eto Toamasina noho ny fahamaroan’ireo mpanendaka mirongatra ny polisim-pirenena.

Noho ny fahamatoran’ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ireo andrimasom-pokonolona sy ireo tratran’ireto mpanendaka izay sahy mamono avy hatrany an’izay sahy mamaly azy ireo, dia misy hatrany ny vokatra azon’ny polisy. Isan’ny faritra tena mena amin’ny fanaon’ireo mpanedaka sy mpangarom-paosy ary ireo mpanao sinto-mahery ny eny amoron-dranomasina. Mbola maro rahateo ny mpiala sasatra misafidy an’i Toamasina amin’izao famaranana ny fotoam-pialantsasatra izao, ka betsaka ireo tovolahy entin’ny rongony fohany no miteraka tsy filaminam-bahoaka mankafy ny moron-dranomasan’i Toamasina. Nitohy ny alahady teo taorian’ny fanampiana nataon’ireo andrimasom-pokonolona sy ireo tsara sitra-po ny “operation” nataoan’ny FIP. Niisa 16 ireo tovolahy tratra ambodiomby niaraka tamin’ny rongony nandritra izany. Tsy hitsahatra ny hetsika, hoy ny kaomisera Rafaliarivo Jules, raha tsy milamina ny moron-dranomasina. Ho an’ny polisin’ny UIR Toamasina ihany koa dia mitohy koa ny fanenjehany ireo mpanendaka eny amin’ny fokontany eny, ka isan’ny arahan’izy ireo maso noho ny fahamaroany, noho ity faritra ity maizina vokatry ny tsy fisian’ny takamoa amin’ny andrin-jiro, ny eo amin’ny Bazary may Ankirihiry. Ny alahady alina nifoha ny alatsinainy tokony ho misasaka alina teo dia nifanehatra tamin’ny mpanendaka ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana teo amin’ny UIR sy ireto mpanendeka, izay nandositra raha vao nahita ny polisy. Vokany dia nampiasa ny fitaovana teny aminy ny polisy ka maty voatifitra tamin’izany ny roa izay voalaza fa isan’ny sefon’ireo mpanendaka eo amin’ity Bazary may Ankirihiry ity, sy mpamaky trano ao Andranomadio ihany koa. Tao anatin’ny herinandro izany dia efa niisa efatra ireo andian-jiolahy mpanendaka voatifitry ny polisy, mbola mitsabo tena eo anivon’ny hopitaly be ny iray naratra mafy. Niisa 29 kosa ireo voasambotra, izay teny amoron-dranomasina ny 24 tamin’izany, tao Mangarano sy Ankirihiry Bazary may kosa ny 5. Miantso fiaraha-miasa amin’ireo andrimasom-pokonolona hatrany ny polisy.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires