• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

“Prime Hotel” Mahazoarivo : Mpitandro filaminana no namatsy ny basy nanafihana

15/09/2017 06:43 © Moov

Efa voasambotra avokoa ankehitriny ireo tambajotra izay tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny hotely “Prime” etsy Mahazoarivo.

Hatramin’ny mpividy ireo entana halatra aza, dia efa natolotra ny fampanoavana omaly. Isan’izany koa ny namatsy ny basy izay mpitandro filaminana raha araka ny fanampim-panazavan’ny pôlisy. Ireto avy izany no voasambotra nanomboka ny 11 septambra teo : ireo roa lahy izay nanatontosa mivantana ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ilay hotely, ny tompon’ny sarety izay nitateran’ireo ny entana halatra rehefa simba ny fiara 4X4 avy nangalariny, vehivavy iray izay mpandray (mpividy) ireo entana halatra ary ilay mpitandro filaminana izay tompon’ny basy. Raha tsiahivina fohy dia natory, toa ny mpanjifa rehetra, tao amin’ilay hotely ireo roa lahy. Rehefa hitan’izy ireo fa nilamina ny hotely ary efa natory ny rehetra, nifoha ireo tamin’ny iray maraina. Nambanana basy ny mpiambina ary natao nanoro ny misy ny tompon’ny hotely. Io farany koa dia nisedra an’izany ary rehefa voafehy ireo olona ireo dia nanomboka amin’izay ny fandrobana. Nobataina ireo entana rehetra izay lafo vidy nefa mora amidy tao an-trano. Tsy naka lavitra izy ireo fa ny fiara tsy mataho-dàlana teo an-tokotany ihany, izay an’ny tompon’ny hotely no nitaterana an’izany. Ny indro kely sy tsy nokajian’ireo mpanao ratsy, dia ny fahasimban’ilay fiara rehefa nandeha kely. Teo Ambanidia no nitranga izany ary dia voatey notaterina indray ireo entana halatra, nafindra tamin’ny sarety. Teo no nanaitra ny pôlisy izay nanao fisafoana ka nahatonga azay ireo nisava ny taratasy rehetra. Ny fisian’ireo entana notaterina tamin’ny maizin’andro sy ny basy vita gasy, mazava hoazy tsy misy taratasy, dia efa nahamailo ny mpitandro filaminana izay nanao ny fisamborana avy hatrany. Nanomboka teo ny fanadihadiana; izay niafara tamin’ny fahatrarana ireo rehetra izay tao anatin’ny tambajotra. Ity tranga ity dia manazava fa, tsy miasa irery ny jiolahy ary misy firaisan-tendro amin’ny mpisehatra maro. Efa misy ny mpandray entana fotsiny, misy ny mpitsikilo fotsiny, misy ny mpitatitra fotsiny ary koa ny mpanatontosa ny fanafihana. Isaky ny misy asan-jiolahy izany, dia tsy maintsy misy an’ireo karazany ireo avokoa ao anatin’ny ekipany ary mila fehezina ny angom-baovao eo anivon’ireo mba hanamora ny fahafantarana ny olon-dratsy sy ny fisamborana azy avy eo.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires